1 |
[Ny nampahorian'i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen'i Debora mpaminanivavy azy] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda. |
2 |
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany. |
3 |
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy. |
4 |
Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany. |
5 |
Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma] |
6 |
Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao? |
7 |
Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho. |
8 |
Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho. |
9 |
Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy |
10 |
Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy. |
11 |
Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.[Na: rafozan'] |
12 |
Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara. |
13 |
Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona. |
14 |
Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara. |
15 |
Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra. |
16 |
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza. |
17 |
Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita. |
18 |
Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra. |
19 |
Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy. |
20 |
Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia. |
21 |
Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy. |
22 |
Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany. |
23 |
Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy. |
24 |
Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |