|
|
|
|
|
|
Nouvelle Testamenta
|
|
|
|
Malagasy Bible 1865
|
|
|
|
1 |
[Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3] |
2 |
Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. |
3 |
Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia. |
4 |
Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy? |
5 |
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana. [ Gr. vava] [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [ Na: haharitra] |
6 |
Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] |
7 |
Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry. |
8 |
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. |
9 |
Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino. |
10 |
Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. [ Na: Raha misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny fahababoana izy] |
11 |
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona. |
12 |
Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy. |
13 |
Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza. |
14 |
Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany. |
15 |
Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia. |
16 |
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, |
17 |
mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. |
18 |
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |