1 |
[Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona mamangy an'itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [ Gr. Ny presbytera] [ Na: an'i Kyria] |
2 |
noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: |
3 |
ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. |
4 |
Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray. |
5 |
Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [ Na: ry Kyria] |
6 |
Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy. |
7 |
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. |
8 |
Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. |
9 |
Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka. |
10 |
Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; |
11 |
fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony. |
12 |
Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao. |
13 |
Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
2 Jaona 1:1 |
2 Jaona 1:2 |
2 Jaona 1:3 |
2 Jaona 1:4 |
2 Jaona 1:5 |
2 Jaona 1:6 |
2 Jaona 1:7 |
2 Jaona 1:8 |
2 Jaona 1:9 |
2 Jaona 1:10 |
2 Jaona 1:11 |
2 Jaona 1:12 |
2 Jaona 1:13 |
|
|
|
|
|
|
2 Jaona 1 / 2Ja 1 |