|
|
|
|
|
|
Nouvelle Testamenta
|
|
|
|
Malagasy Bible 1865
|
|
|
|
1 |
[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. |
2 |
Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; |
3 |
ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. |
4 |
Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao. |
5 |
Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. |
6 |
Avy amin'Andriamanitra izahay; izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinana sy ny fanahin'ny fampiviliana. |
7 |
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. |
8 |
Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. |
9 |
Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. |
10 |
Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika. |
11 |
Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. |
12 |
Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. [ Na: ny fitiavana Azy] |
13 |
Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. |
14 |
Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. |
15 |
Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. |
16 |
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. |
17 |
Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin'ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin'izao tontolo izao. |
18 |
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana. |
19 |
Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha. |
20 |
Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa. |
21 |
Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa. |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |