1 |
Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), |
2 |
rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana. |
3 |
Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; |
4 |
fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra. |
5 |
Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny; |
6 |
dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona. |
7 |
Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. |
8 |
[Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, |
9 |
tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. |
10 |
"Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; |
11 |
Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. |
12 |
Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16). |
13 |
Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo? |
14 |
Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo; |
15 |
fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, |
16 |
ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. |
17 |
Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy. |
18 |
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy, |
19 |
izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, |
20 |
dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano, |
21 |
izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [ Na: fanontanian'] [ Na: amin'] [ Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery. |
22 |
Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
1 Petera 3:1 |
1 Petera 3:2 |
1 Petera 3:3 |
1 Petera 3:4 |
1 Petera 3:5 |
1 Petera 3:6 |
1 Petera 3:7 |
1 Petera 3:8 |
1 Petera 3:9 |
1 Petera 3:10 |
1 Petera 3:11 |
1 Petera 3:12 |
1 Petera 3:13 |
1 Petera 3:14 |
1 Petera 3:15 |
1 Petera 3:16 |
1 Petera 3:17 |
1 Petera 3:18 |
1 Petera 3:19 |
1 Petera 3:20 |
1 Petera 3:21 |
1 Petera 3:22 |
|
|
|
|
|
|
1 Petera 1 / 1Pe 1 |
1 Petera 2 / 1Pe 2 |
1 Petera 3 / 1Pe 3 |
1 Petera 4 / 1Pe 4 |
1 Petera 5 / 1Pe 5 |