1 |
[Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; |
2 |
dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, |
3 |
Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo |
4 |
ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. |
5 |
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) |
6 |
Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). |
7 |
Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4). |
8 |
Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; |
9 |
Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). |
10 |
Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; |
11 |
Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, |
12 |
Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27). |
13 |
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? [Na: manao fanompoam-pivavahana] |
14 |
Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? [Na: manao fanompoam-pivavahana]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Hebreo 1:1 |
Hebreo 1:2 |
Hebreo 1:3 |
Hebreo 1:4 |
Hebreo 1:5 |
Hebreo 1:6 |
Hebreo 1:7 |
Hebreo 1:8 |
Hebreo 1:9 |
Hebreo 1:10 |
Hebreo 1:11 |
Hebreo 1:12 |
Hebreo 1:13 |
Hebreo 1:14 |
|
|
|
|
|
|
Hebreo 1 / Heb 1 |
Hebreo 2 / Heb 2 |
Hebreo 3 / Heb 3 |
Hebreo 4 / Heb 4 |
Hebreo 5 / Heb 5 |
Hebreo 6 / Heb 6 |
Hebreo 7 / Heb 7 |
Hebreo 8 / Heb 8 |
Hebreo 9 / Heb 9 |
Hebreo 10 / Heb 10 |
Hebreo 11 / Heb 11 |
Hebreo 12 / Heb 12 |
Hebreo 13 / Heb 13 |