|
|
|
|
|
|
Nouvelle Testamenta
|
|
|
|
Malagasy Bible 1865
|
|
|
|
1 |
[Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay, |
2 |
ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao: |
3 |
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. |
4 |
Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako, |
5 |
satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [ Na: ny finoanao] |
6 |
mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. |
7 |
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy. |
8 |
Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho, |
9 |
nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [ Na: ambasadôra] |
10 |
Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [ Onesimosy = Mahasoa] |
11 |
ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho; |
12 |
izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko; |
13 |
saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara; |
14 |
nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo. |
15 |
Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, |
16 |
tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo. |
17 |
Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy. |
18 |
Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany; |
19 |
izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao. |
20 |
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy. |
21 |
Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao. |
22 |
Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo. |
23 |
Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy, |
24 |
sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. |
25 |
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |