1 |
Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: |
2 |
mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. |
3 |
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [ Gr. salama] |
4 |
ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. |
5 |
Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. |
6 |
Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [ Gr. haidina ho fanatitra aidina] |
7 |
Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; |
8 |
hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. |
9 |
[Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao; |
10 |
fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. |
11 |
Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy. |
12 |
Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy. |
13 |
Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra. |
14 |
Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany; |
15 |
tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay. |
16 |
Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). |
17 |
Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona. |
18 |
Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. |
19 |
Manaova veloma amin'i Prisila sy Akoila mbamin'ny ankohonan'i Onesiforosy; |
20 |
Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy. |
21 |
Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra.Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana. |
22 |
Ho amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
2 Timoty 4:1 |
2 Timoty 4:2 |
2 Timoty 4:3 |
2 Timoty 4:4 |
2 Timoty 4:5 |
2 Timoty 4:6 |
2 Timoty 4:7 |
2 Timoty 4:8 |
2 Timoty 4:9 |
2 Timoty 4:10 |
2 Timoty 4:11 |
2 Timoty 4:12 |
2 Timoty 4:13 |
2 Timoty 4:14 |
2 Timoty 4:15 |
2 Timoty 4:16 |
2 Timoty 4:17 |
2 Timoty 4:18 |
2 Timoty 4:19 |
2 Timoty 4:20 |
2 Timoty 4:21 |
2 Timoty 4:22 |
|
|
|
|
|
|
2 Timoty 1 / 2Tim 1 |
2 Timoty 2 / 2Tim 2 |
2 Timoty 3 / 2Tim 3 |
2 Timoty 4 / 2Tim 4 |