1 |
[Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. |
2 |
Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. |
3 |
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. |
4 |
Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. |
5 |
Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. |
6 |
Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. |
7 |
Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao. |
8 |
Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, |
9 |
izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. |
10 |
Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. |
11 |
Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; |
12 |
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; |
13 |
fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany. |
14 |
[Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, |
15 |
Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. [ Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin'] |
16 |
Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, |
17 |
ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [ Gr. gangrena] |
18 |
izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany. |
19 |
Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy." |
20 |
Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. |
21 |
Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra. |
22 |
Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. |
23 |
Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. |
24 |
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, |
25 |
mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra] |
26 |
ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |