1 |
Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako. |
2 |
Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo izy. |
3 |
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana. |
4 |
Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. [ Na: veloma] |
5 |
Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. |
6 |
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. |
7 |
Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. |
8 |
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. |
9 |
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana. |
10 |
[Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo. |
11 |
Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. |
12 |
Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. |
13 |
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy. |
14 |
Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy. |
15 |
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [ Gr. eklesia] |
16 |
Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy. |
17 |
Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. |
18 |
Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany. |
19 |
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy. |
20 |
Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. |
21 |
Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko. |
22 |
Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara.Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo. |
23 |
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo. |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
Filipiana 4:1 |
Filipiana 4:2 |
Filipiana 4:3 |
Filipiana 4:4 |
Filipiana 4:5 |
Filipiana 4:6 |
Filipiana 4:7 |
Filipiana 4:8 |
Filipiana 4:9 |
Filipiana 4:10 |
Filipiana 4:11 |
Filipiana 4:12 |
Filipiana 4:13 |
Filipiana 4:14 |
Filipiana 4:15 |
Filipiana 4:16 |
Filipiana 4:17 |
Filipiana 4:18 |
Filipiana 4:19 |
Filipiana 4:20 |
Filipiana 4:21 |
Filipiana 4:22 |
Filipiana 4:23 |
Filipiana 1 / Fil 1 |
Filipiana 2 / Fil 2 |
Filipiana 3 / Fil 3 |
Filipiana 4 / Fil 4 |
|
|
|
|
|