1 |
[Ny nahafatesan'i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana |
2 |
sy Naftaly rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra hatramin'ny ranomasina andrefana |
3 |
ary ny tany atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara. |
4 |
Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao. |
5 |
Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah. |
6 |
Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. |
7 |
Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. |
8 |
Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy. |
9 |
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. |
10 |
Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika |
11 |
tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetraary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra. |
12 |
ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |