1 |
[Ny amin'ny hifadiana izay fanao vetaveta, na izay zavatra tsy fihinana] Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty. |
2 |
Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. |
3 |
Aza mihinana izay fahavetavetana. |
4 |
Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy |
5 |
sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra: |
6 |
izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo. |
7 |
Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy; |
8 |
ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo. |
9 |
Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo; |
10 |
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy. |
11 |
Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo. |
12 |
Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay |
13 |
ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy |
14 |
ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy, |
15 |
ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy, |
16 |
ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa |
17 |
ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana |
18 |
ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy. |
19 |
Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo. |
20 |
Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo. |
21 |
Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. |
22 |
[Ny amin'ny fandoavana ny fahafolon-karena] Aloavy tsara ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona; |
23 |
dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva. |
24 |
Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, |
25 |
dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; |
26 |
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao; |
27 |
ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy. |
28 |
Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao. |
29 |
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Deotoronomia 14:1 |
Deotoronomia 14:2 |
Deotoronomia 14:3 |
Deotoronomia 14:4 |
Deotoronomia 14:5 |
Deotoronomia 14:6 |
Deotoronomia 14:7 |
Deotoronomia 14:8 |
Deotoronomia 14:9 |
Deotoronomia 14:10 |
Deotoronomia 14:11 |
Deotoronomia 14:12 |
Deotoronomia 14:13 |
Deotoronomia 14:14 |
Deotoronomia 14:15 |
Deotoronomia 14:16 |
Deotoronomia 14:17 |
Deotoronomia 14:18 |
Deotoronomia 14:19 |
Deotoronomia 14:20 |
Deotoronomia 14:21 |
Deotoronomia 14:22 |
Deotoronomia 14:23 |
Deotoronomia 14:24 |
Deotoronomia 14:25 |
Deotoronomia 14:26 |
Deotoronomia 14:27 |
Deotoronomia 14:28 |
Deotoronomia 14:29 |
|
|
|
|
|
|
Deotoronomia 1 / Deo 1 |
Deotoronomia 2 / Deo 2 |
Deotoronomia 3 / Deo 3 |
Deotoronomia 4 / Deo 4 |
Deotoronomia 5 / Deo 5 |
Deotoronomia 6 / Deo 6 |
Deotoronomia 7 / Deo 7 |
Deotoronomia 8 / Deo 8 |
Deotoronomia 9 / Deo 9 |
Deotoronomia 10 / Deo 10 |
Deotoronomia 11 / Deo 11 |
Deotoronomia 12 / Deo 12 |
Deotoronomia 13 / Deo 13 |
Deotoronomia 14 / Deo 14 |
Deotoronomia 15 / Deo 15 |
Deotoronomia 16 / Deo 16 |
Deotoronomia 17 / Deo 17 |
Deotoronomia 18 / Deo 18 |
Deotoronomia 19 / Deo 19 |
Deotoronomia 20 / Deo 20 |
Deotoronomia 21 / Deo 21 |
Deotoronomia 22 / Deo 22 |
Deotoronomia 23 / Deo 23 |
Deotoronomia 24 / Deo 24 |
Deotoronomia 25 / Deo 25 |
Deotoronomia 26 / Deo 26 |
Deotoronomia 27 / Deo 27 |
Deotoronomia 28 / Deo 28 |
Deotoronomia 29 / Deo 29 |
Deotoronomia 30 / Deo 30 |
Deotoronomia 31 / Deo 31 |
Deotoronomia 32 / Deo 32 |
Deotoronomia 33 / Deo 33 |
Deotoronomia 34 / Deo 34 |