1 |
Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, |
2 |
izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; |
3 |
teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. |
4 |
Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, |
5 |
na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); |
6 |
ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, |
7 |
mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy. |
8 |
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; |
9 |
tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. |
10 |
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. |
11 |
[Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - |
12 |
eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; |
13 |
fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. |
14 |
Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, |
15 |
fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, |
16 |
ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. |
17 |
Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin'izay akaiky koa. [ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19] |
18 |
Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray. |
19 |
Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, |
20 |
natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; |
21 |
ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy. |
22 |
Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Efesiana 2:1 |
Efesiana 2:2 |
Efesiana 2:3 |
Efesiana 2:4 |
Efesiana 2:5 |
Efesiana 2:6 |
Efesiana 2:7 |
Efesiana 2:8 |
Efesiana 2:9 |
Efesiana 2:10 |
Efesiana 2:11 |
Efesiana 2:12 |
Efesiana 2:13 |
Efesiana 2:14 |
Efesiana 2:15 |
Efesiana 2:16 |
Efesiana 2:17 |
Efesiana 2:18 |
Efesiana 2:19 |
Efesiana 2:20 |
Efesiana 2:21 |
Efesiana 2:22 |
|
|
|
|
|
|
Efesiana 1 / Efe 1 |
Efesiana 2 / Efe 2 |
Efesiana 3 / Efe 3 |
Efesiana 4 / Efe 4 |
Efesiana 5 / Efe 5 |
Efesiana 6 / Efe 6 |