1 |
Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. [ Na: azo olan-tanana amin'izay fahadisoana aza] |
2 |
Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. |
3 |
Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. |
4 |
Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa; |
5 |
fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. |
6 |
Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra. |
7 |
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. |
8 |
Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. |
9 |
Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. |
10 |
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana. |
11 |
[Anatra farany] Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo. |
12 |
Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy. |
13 |
Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo. |
14 |
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. [ Na: izay] |
15 |
Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao. |
16 |
Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra. |
17 |
Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. |
18 |
Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Galatiana 6:1 |
Galatiana 6:2 |
Galatiana 6:3 |
Galatiana 6:4 |
Galatiana 6:5 |
Galatiana 6:6 |
Galatiana 6:7 |
Galatiana 6:8 |
Galatiana 6:9 |
Galatiana 6:10 |
Galatiana 6:11 |
Galatiana 6:12 |
Galatiana 6:13 |
Galatiana 6:14 |
Galatiana 6:15 |
Galatiana 6:16 |
Galatiana 6:17 |
Galatiana 6:18 |
|
|
|
|
|
|
Galatiana 1 / Gal 1 |
Galatiana 2 / Gal 2 |
Galatiana 3 / Gal 3 |
Galatiana 4 / Gal 4 |
Galatiana 5 / Gal 5 |
Galatiana 6 / Gal 6 |