1 |
Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; |
2 |
fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. |
3 |
Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; |
4 |
fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, |
5 |
hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. |
6 |
Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. |
7 |
Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. |
8 |
Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy; |
9 |
fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? |
10 |
Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. |
11 |
Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. |
12 |
Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo; |
13 |
nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany; |
14 |
ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza. |
15 |
Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. |
16 |
Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo? |
17 |
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. |
18 |
Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. |
19 |
Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, |
20 |
enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. |
21 |
Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna? |
22 |
fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo. |
23 |
Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana. |
24 |
Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. |
25 |
Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [ Na: (Fa)] |
26 |
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. |
27 |
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1). |
28 |
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. |
29 |
Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. |
30 |
Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo. |
31 |
Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |