1 |
[Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty - |
2 |
mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia: [ Gr. eklesia] |
3 |
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika, |
4 |
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [ Na: izao andro ratsy izao] |
5 |
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. |
6 |
[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, |
7 |
izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [ Gr. anankiray koa] |
8 |
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. [ Na: manohitra] [ Gr. anatema] |
9 |
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy, [ Gr. anatema] |
10 |
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy. |
11 |
Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. |
12 |
Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. |
13 |
Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [ Gr. eklesia] |
14 |
ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. |
15 |
Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany, |
16 |
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho, |
17 |
ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. |
18 |
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro. |
19 |
Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo. [ Na: fa Jakoba kosa] |
20 |
Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho. |
21 |
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho; |
22 |
ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [ Gr. eklesia] |
23 |
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho. |
24 |
Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Galatiana 1:1 |
Galatiana 1:2 |
Galatiana 1:3 |
Galatiana 1:4 |
Galatiana 1:5 |
Galatiana 1:6 |
Galatiana 1:7 |
Galatiana 1:8 |
Galatiana 1:9 |
Galatiana 1:10 |
Galatiana 1:11 |
Galatiana 1:12 |
Galatiana 1:13 |
Galatiana 1:14 |
Galatiana 1:15 |
Galatiana 1:16 |
Galatiana 1:17 |
Galatiana 1:18 |
Galatiana 1:19 |
Galatiana 1:20 |
Galatiana 1:21 |
Galatiana 1:22 |
Galatiana 1:23 |
Galatiana 1:24 |
|
|
|
|
|
|
Galatiana 1 / Gal 1 |
Galatiana 2 / Gal 2 |
Galatiana 3 / Gal 3 |
Galatiana 4 / Gal 4 |
Galatiana 5 / Gal 5 |
Galatiana 6 / Gal 6 |