1 |
[Ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy fanaovam-beloma] Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia. |
2 |
Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. |
3 |
Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema. |
4 |
Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo. |
5 |
Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho - |
6 |
ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako. |
7 |
Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo. |
8 |
Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta; |
9 |
fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. |
10 |
Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. |
11 |
Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho. |
12 |
Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [ Na: saingy tsy sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny] |
13 |
Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [ Gr. miareta tory] |
14 |
Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. |
15 |
Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, |
16 |
mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. |
17 |
Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; |
18 |
fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny. |
19 |
Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony. |
20 |
Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. |
21 |
Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. |
22 |
Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata. [ Gr. anatema] [ Maran ata = Avy ny Tompontsika (?)] |
23 |
Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena. |
24 |
ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
1 Korintiana 16:1 |
1 Korintiana 16:2 |
1 Korintiana 16:3 |
1 Korintiana 16:4 |
1 Korintiana 16:5 |
1 Korintiana 16:6 |
1 Korintiana 16:7 |
1 Korintiana 16:8 |
1 Korintiana 16:9 |
1 Korintiana 16:10 |
1 Korintiana 16:11 |
1 Korintiana 16:12 |
1 Korintiana 16:13 |
1 Korintiana 16:14 |
1 Korintiana 16:15 |
1 Korintiana 16:16 |
1 Korintiana 16:17 |
1 Korintiana 16:18 |
1 Korintiana 16:19 |
1 Korintiana 16:20 |
1 Korintiana 16:21 |
1 Korintiana 16:22 |
1 Korintiana 16:23 |
1 Korintiana 16:24 |
|
|
|
|
|
|
1 Korintiana 1 / 1Kor 1 |
1 Korintiana 2 / 1Kor 2 |
1 Korintiana 3 / 1Kor 3 |
1 Korintiana 4 / 1Kor 4 |
1 Korintiana 5 / 1Kor 5 |
1 Korintiana 6 / 1Kor 6 |
1 Korintiana 7 / 1Kor 7 |
1 Korintiana 8 / 1Kor 8 |
1 Korintiana 9 / 1Kor 9 |
1 Korintiana 10 / 1Kor 10 |
1 Korintiana 11 / 1Kor 11 |
1 Korintiana 12 / 1Kor 12 |
1 Korintiana 13 / 1Kor 13 |
1 Korintiana 14 / 1Kor 14 |
1 Korintiana 15 / 1Kor 15 |
1 Korintiana 16 / 1Kor 16 |