1 |
[Ny amin'ny nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako, |
2 |
fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko. |
3 |
Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [ Gr. anatema] |
4 |
izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana; |
5 |
azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena. [ Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra] |
6 |
Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely. |
7 |
Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12). |
8 |
Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka. |
9 |
Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10). |
10 |
Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka razantsika; |
11 |
fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso), |
12 |
dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23); |
13 |
araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3). |
14 |
Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany! |
15 |
Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19). |
16 |
Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra. |
17 |
Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16). |
18 |
Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo. |
19 |
Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? |
20 |
Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? |
21 |
Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? |
22 |
Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, |
23 |
mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, |
24 |
dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, |
25 |
araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); |
26 |
Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1). |
27 |
Ary Isaia milaza ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena; |
28 |
fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa. 10. 22, 23); |
29 |
ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9). |
30 |
Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana? |
31 |
fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany. |
32 |
Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy;araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16). |
33 |
araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Romana 9:1 |
Romana 9:2 |
Romana 9:3 |
Romana 9:4 |
Romana 9:5 |
Romana 9:6 |
Romana 9:7 |
Romana 9:8 |
Romana 9:9 |
Romana 9:10 |
Romana 9:11 |
Romana 9:12 |
Romana 9:13 |
Romana 9:14 |
Romana 9:15 |
Romana 9:16 |
Romana 9:17 |
Romana 9:18 |
Romana 9:19 |
Romana 9:20 |
Romana 9:21 |
Romana 9:22 |
Romana 9:23 |
Romana 9:24 |
Romana 9:25 |
Romana 9:26 |
Romana 9:27 |
Romana 9:28 |
Romana 9:29 |
Romana 9:30 |
Romana 9:31 |
Romana 9:32 |
Romana 9:33 |
|
|
|
|
|
|
Romana 1 / Rom 1 |
Romana 2 / Rom 2 |
Romana 3 / Rom 3 |
Romana 4 / Rom 4 |
Romana 5 / Rom 5 |
Romana 6 / Rom 6 |
Romana 7 / Rom 7 |
Romana 8 / Rom 8 |
Romana 9 / Rom 9 |
Romana 10 / Rom 10 |
Romana 11 / Rom 11 |
Romana 12 / Rom 12 |
Romana 13 / Rom 13 |
Romana 14 / Rom 14 |
Romana 15 / Rom 15 |
Romana 16 / Rom 16 |