1 |
Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo? |
2 |
Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra. |
3 |
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). |
4 |
Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. |
5 |
Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. |
6 |
Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe: |
7 |
Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. |
8 |
Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2). |
9 |
Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama. |
10 |
Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora. |
11 |
Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana, |
12 |
ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora. |
13 |
Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. |
14 |
Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana; |
15 |
fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. |
16 |
Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - |
17 |
araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy. |
18 |
Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5). |
19 |
Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha, |
20 |
ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra |
21 |
ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. |
22 |
Dia nisaina ho fahamarinany izany. |
23 |
Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany, |
24 |
fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty,Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika. |
25 |
Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Romana 4:1 |
Romana 4:2 |
Romana 4:3 |
Romana 4:4 |
Romana 4:5 |
Romana 4:6 |
Romana 4:7 |
Romana 4:8 |
Romana 4:9 |
Romana 4:10 |
Romana 4:11 |
Romana 4:12 |
Romana 4:13 |
Romana 4:14 |
Romana 4:15 |
Romana 4:16 |
Romana 4:17 |
Romana 4:18 |
Romana 4:19 |
Romana 4:20 |
Romana 4:21 |
Romana 4:22 |
Romana 4:23 |
Romana 4:24 |
Romana 4:25 |
|
|
|
|
|
|
Romana 1 / Rom 1 |
Romana 2 / Rom 2 |
Romana 3 / Rom 3 |
Romana 4 / Rom 4 |
Romana 5 / Rom 5 |
Romana 6 / Rom 6 |
Romana 7 / Rom 7 |
Romana 8 / Rom 8 |
Romana 9 / Rom 9 |
Romana 10 / Rom 10 |
Romana 11 / Rom 11 |
Romana 12 / Rom 12 |
Romana 13 / Rom 13 |
Romana 14 / Rom 14 |
Romana 15 / Rom 15 |
Romana 16 / Rom 16 |