1 |
Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. |
2 |
Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy. |
3 |
Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9). |
4 |
Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina. |
5 |
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy, |
6 |
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. |
7 |
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. [ Na: (antsika)] |
8 |
Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana, |
9 |
mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49). |
10 |
Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43). |
11 |
Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1). |
12 |
Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10). |
13 |
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina. |
14 |
Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. |
15 |
Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, |
16 |
mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. |
17 |
Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. |
18 |
Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, |
19 |
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [ Na: (Fanahin'Andriamanitra)] |
20 |
Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho; |
21 |
fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15). |
22 |
Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo. |
23 |
Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho, |
24 |
raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo. |
25 |
Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina. |
26 |
Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema. |
27 |
Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy. |
28 |
Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania. |
29 |
Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy. |
30 |
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy, |
31 |
mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema, |
32 |
mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena. |
33 |
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Romana 15:1 |
Romana 15:2 |
Romana 15:3 |
Romana 15:4 |
Romana 15:5 |
Romana 15:6 |
Romana 15:7 |
Romana 15:8 |
Romana 15:9 |
Romana 15:10 |
Romana 15:11 |
Romana 15:12 |
Romana 15:13 |
Romana 15:14 |
Romana 15:15 |
Romana 15:16 |
Romana 15:17 |
Romana 15:18 |
Romana 15:19 |
Romana 15:20 |
Romana 15:21 |
Romana 15:22 |
Romana 15:23 |
Romana 15:24 |
Romana 15:25 |
Romana 15:26 |
Romana 15:27 |
Romana 15:28 |
Romana 15:29 |
Romana 15:30 |
Romana 15:31 |
Romana 15:32 |
Romana 15:33 |
|
|
|
|
|
|
Romana 1 / Rom 1 |
Romana 2 / Rom 2 |
Romana 3 / Rom 3 |
Romana 4 / Rom 4 |
Romana 5 / Rom 5 |
Romana 6 / Rom 6 |
Romana 7 / Rom 7 |
Romana 8 / Rom 8 |
Romana 9 / Rom 9 |
Romana 10 / Rom 10 |
Romana 11 / Rom 11 |
Romana 12 / Rom 12 |
Romana 13 / Rom 13 |
Romana 14 / Rom 14 |
Romana 15 / Rom 15 |
Romana 16 / Rom 16 |