1 |
[Ny amin'ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. |
2 |
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. |
3 |
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary. |
4 |
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. |
5 |
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy. |
6 |
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy. |
7 |
Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. |
8 |
Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. |
9 |
Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy. |
10 |
Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra. |
11 |
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23). |
12 |
Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra. |
13 |
Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [ Gr. mitsara] |
14 |
Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany. |
15 |
Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. |
16 |
Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo. |
17 |
Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. |
18 |
Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara. |
19 |
Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. |
20 |
Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana. |
21 |
Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao. [ Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy] |
22 |
Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana. |
23 |
Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Romana 14:1 |
Romana 14:2 |
Romana 14:3 |
Romana 14:4 |
Romana 14:5 |
Romana 14:6 |
Romana 14:7 |
Romana 14:8 |
Romana 14:9 |
Romana 14:10 |
Romana 14:11 |
Romana 14:12 |
Romana 14:13 |
Romana 14:14 |
Romana 14:15 |
Romana 14:16 |
Romana 14:17 |
Romana 14:18 |
Romana 14:19 |
Romana 14:20 |
Romana 14:21 |
Romana 14:22 |
Romana 14:23 |
|
|
|
|
|
|
Romana 1 / Rom 1 |
Romana 2 / Rom 2 |
Romana 3 / Rom 3 |
Romana 4 / Rom 4 |
Romana 5 / Rom 5 |
Romana 6 / Rom 6 |
Romana 7 / Rom 7 |
Romana 8 / Rom 8 |
Romana 9 / Rom 9 |
Romana 10 / Rom 10 |
Romana 11 / Rom 11 |
Romana 12 / Rom 12 |
Romana 13 / Rom 13 |
Romana 14 / Rom 14 |
Romana 15 / Rom 15 |
Romana 16 / Rom 16 |