1 |
[Ny nitsarana an'i Paoly teo anatrehan'i Feliksa, sy ny nifatorany roa taona tao Kaisaria] Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin'ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin'ny mpanapaka ny niampangany an'i Paoly. |
2 |
Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe: |
3 |
Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin'ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô. |
4 |
Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin'ny faharetana izahay. |
5 |
Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko atao hoe Nazarena. |
6 |
Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia nosamborinay izy; [ Ampio hoe: ka tianay hotsaraina araka ny lalànay] |
7 |
[Fa tonga Lysia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy] |
8 |
ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy. |
9 |
Ary ny Jiosy koa dia nanaiky sy nilaza fa izany no izy. |
10 |
Ary rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin'ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako; |
11 |
fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema. |
12 |
Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona teo an-kianjan'ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin'ny synagoga, na tao an-tanàna; |
13 |
ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny. |
14 |
Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany, |
15 |
ary manantena amin'Andriamanitra aho, izay antenain'izy ireo koa, fa hisy fitsanganan'ny marina sy ny meloka. |
16 |
Ary amin'izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin'Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva. |
17 |
Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an'ny fireneko. |
18 |
Ary tamin'izay dia hitany voadio teo an-kianjan'ny tempoly aho, tsy tamin'ny olona maro anefa, na tamin'ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia, |
19 |
- tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy. |
20 |
Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan'ny Synedriona aho, |
21 |
afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin'ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio. |
22 |
Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. [ Gr. lalàna] |
23 |
Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an'i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin'ny sakaizany izay ho avy hanompo azy. |
24 |
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an'i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesosy. |
25 |
Ary raha nitory ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho. |
26 |
Sady nanantena koa izy fa homen'i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly. |
27 |
Ary rehefa afaka roa taona, dia Porsio Festosy no nandimby an'i Feliksa; ary Feliksa ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, ka dia mbola navelany ho mpifatotra ihany Paoly.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Asan'ny Apostoly 24:1 |
Asan'ny Apostoly 24:2 |
Asan'ny Apostoly 24:3 |
Asan'ny Apostoly 24:4 |
Asan'ny Apostoly 24:5 |
Asan'ny Apostoly 24:6 |
Asan'ny Apostoly 24:7 |
Asan'ny Apostoly 24:8 |
Asan'ny Apostoly 24:9 |
Asan'ny Apostoly 24:10 |
Asan'ny Apostoly 24:11 |
Asan'ny Apostoly 24:12 |
Asan'ny Apostoly 24:13 |
Asan'ny Apostoly 24:14 |
Asan'ny Apostoly 24:15 |
Asan'ny Apostoly 24:16 |
Asan'ny Apostoly 24:17 |
Asan'ny Apostoly 24:18 |
Asan'ny Apostoly 24:19 |
Asan'ny Apostoly 24:20 |
Asan'ny Apostoly 24:21 |
Asan'ny Apostoly 24:22 |
Asan'ny Apostoly 24:23 |
Asan'ny Apostoly 24:24 |
Asan'ny Apostoly 24:25 |
Asan'ny Apostoly 24:26 |
Asan'ny Apostoly 24:27 |
|
|
|
|
|
|
Asan'ny Apostoly 1 / AsAp 1 |
Asan'ny Apostoly 2 / AsAp 2 |
Asan'ny Apostoly 3 / AsAp 3 |
Asan'ny Apostoly 4 / AsAp 4 |
Asan'ny Apostoly 5 / AsAp 5 |
Asan'ny Apostoly 6 / AsAp 6 |
Asan'ny Apostoly 7 / AsAp 7 |
Asan'ny Apostoly 8 / AsAp 8 |
Asan'ny Apostoly 9 / AsAp 9 |
Asan'ny Apostoly 10 / AsAp 10 |
Asan'ny Apostoly 11 / AsAp 11 |
Asan'ny Apostoly 12 / AsAp 12 |
Asan'ny Apostoly 13 / AsAp 13 |
Asan'ny Apostoly 14 / AsAp 14 |
Asan'ny Apostoly 15 / AsAp 15 |
Asan'ny Apostoly 16 / AsAp 16 |
Asan'ny Apostoly 17 / AsAp 17 |
Asan'ny Apostoly 18 / AsAp 18 |
Asan'ny Apostoly 19 / AsAp 19 |
Asan'ny Apostoly 20 / AsAp 20 |
Asan'ny Apostoly 21 / AsAp 21 |
Asan'ny Apostoly 22 / AsAp 22 |
Asan'ny Apostoly 23 / AsAp 23 |
Asan'ny Apostoly 24 / AsAp 24 |
Asan'ny Apostoly 25 / AsAp 25 |
Asan'ny Apostoly 26 / AsAp 26 |
Asan'ny Apostoly 27 / AsAp 27 |
Asan'ny Apostoly 28 / AsAp 28 |