1 |
Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. |
2 |
Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? |
3 |
Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. |
4 |
Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. |
5 |
Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. |
6 |
Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba. |
7 |
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. |
8 |
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka? |
9 |
Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy. |
10 |
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao? |
11 |
Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra. |
12 |
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro. |
13 |
Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo. |
14 |
Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy. |
15 |
Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. |
16 |
Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy. |
17 |
Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy. |
18 |
Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra |
19 |
ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao? |
20 |
Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; |
21 |
fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany. |
22 |
Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga. |
23 |
Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio. |
24 |
Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. |
25 |
Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. |
26 |
Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao? |
27 |
Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo? |
28 |
Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy. |
29 |
Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany. |
30 |
Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. |
31 |
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. |
32 |
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. |
33 |
Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. |
34 |
Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy. |
35 |
Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? |
36 |
Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? |
37 |
Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. |
38 |
Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. |
39 |
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. |
40 |
Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. |
41 |
Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
Jaona 9:1 |
Jaona 9:2 |
Jaona 9:3 |
Jaona 9:4 |
Jaona 9:5 |
Jaona 9:6 |
Jaona 9:7 |
Jaona 9:8 |
Jaona 9:9 |
Jaona 9:10 |
Jaona 9:11 |
Jaona 9:12 |
Jaona 9:13 |
Jaona 9:14 |
Jaona 9:15 |
Jaona 9:16 |
Jaona 9:17 |
Jaona 9:18 |
Jaona 9:19 |
Jaona 9:20 |
Jaona 9:21 |
Jaona 9:22 |
Jaona 9:23 |
Jaona 9:24 |
Jaona 9:25 |
Jaona 9:26 |
Jaona 9:27 |
Jaona 9:28 |
Jaona 9:29 |
Jaona 9:30 |
Jaona 9:31 |
Jaona 9:32 |
Jaona 9:33 |
Jaona 9:34 |
Jaona 9:35 |
Jaona 9:36 |
Jaona 9:37 |
Jaona 9:38 |
Jaona 9:39 |
Jaona 9:40 |
Jaona 9:41 |
Jaona 1 / Jao 1 |
Jaona 2 / Jao 2 |
Jaona 3 / Jao 3 |
Jaona 4 / Jao 4 |
Jaona 5 / Jao 5 |
Jaona 6 / Jao 6 |
Jaona 7 / Jao 7 |
Jaona 8 / Jao 8 |
Jaona 9 / Jao 9 |
Jaona 10 / Jao 10 |
Jaona 11 / Jao 11 |
Jaona 12 / Jao 12 |
Jaona 13 / Jao 13 |
Jaona 14 / Jao 14 |
Jaona 15 / Jao 15 |
Jaona 16 / Jao 16 |
Jaona 17 / Jao 17 |
Jaona 18 / Jao 18 |
Jaona 19 / Jao 19 |
Jaona 20 / Jao 20 |
Jaona 21 / Jao 21 |
|
|
|
|
|