1 |
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. |
2 |
Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, |
3 |
ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; |
4 |
fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [Na: mitady ho hita fa matoky] |
5 |
Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. |
6 |
Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. |
7 |
Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. |
8 |
Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. |
9 |
Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. |
10 |
Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. |
11 |
Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy? |
12 |
Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. |
13 |
Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy. |
14 |
Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. |
15 |
Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? |
16 |
Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. |
17 |
Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. |
18 |
Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. |
19 |
Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? |
20 |
Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao? |
21 |
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra. |
22 |
Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. |
23 |
Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata. |
24 |
Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina. |
25 |
Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina? |
26 |
Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy? |
27 |
Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany. |
28 |
Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo. |
29 |
Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy. |
30 |
Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany. |
31 |
Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy? |
32 |
Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy. |
33 |
Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho. |
34 |
Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha. |
35 |
Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? |
36 |
Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? |
37 |
Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. |
38 |
Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. |
39 |
Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [ Na: Fanahy Masina] |
40 |
Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. |
41 |
Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy? |
42 |
Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)? |
43 |
Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka. |
44 |
Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy. |
45 |
Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy? |
46 |
Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. |
47 |
Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka? |
48 |
Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? |
49 |
Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna. |
50 |
Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe: |
51 |
Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony? |
52 |
Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;] |
53 |
[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;] |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |