1 |
Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. |
2 |
Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. |
3 |
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [Na: ateraka avy ambony] |
4 |
Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? |
5 |
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. |
6 |
Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. |
7 |
aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. [Na: hateraka avy any ambony] |
8 |
Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. |
9 |
Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany? |
10 |
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany? |
11 |
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo. |
12 |
Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? |
13 |
Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra. |
14 |
Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, |
15 |
mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. |
16 |
Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. |
17 |
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. |
18 |
Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. |
19 |
Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. |
20 |
Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. |
21 |
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany. |
22 |
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. |
23 |
Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. |
24 |
Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona. |
25 |
Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana; |
26 |
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. |
27 |
Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. |
28 |
Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho. |
29 |
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany. |
30 |
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. |
31 |
Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; |
32 |
koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. |
33 |
Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. |
34 |
Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. |
35 |
Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. |
36 |
Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Jaona 3:1 |
Jaona 3:2 |
Jaona 3:3 |
Jaona 3:4 |
Jaona 3:5 |
Jaona 3:6 |
Jaona 3:7 |
Jaona 3:8 |
Jaona 3:9 |
Jaona 3:10 |
Jaona 3:11 |
Jaona 3:12 |
Jaona 3:13 |
Jaona 3:14 |
Jaona 3:15 |
Jaona 3:16 |
Jaona 3:17 |
Jaona 3:18 |
Jaona 3:19 |
Jaona 3:20 |
Jaona 3:21 |
Jaona 3:22 |
Jaona 3:23 |
Jaona 3:24 |
Jaona 3:25 |
Jaona 3:26 |
Jaona 3:27 |
Jaona 3:28 |
Jaona 3:29 |
Jaona 3:30 |
Jaona 3:31 |
Jaona 3:32 |
Jaona 3:33 |
Jaona 3:34 |
Jaona 3:35 |
Jaona 3:36 |
|
|
|
|
|
|
Jaona 1 / Jao 1 |
Jaona 2 / Jao 2 |
Jaona 3 / Jao 3 |
Jaona 4 / Jao 4 |
Jaona 5 / Jao 5 |
Jaona 6 / Jao 6 |
Jaona 7 / Jao 7 |
Jaona 8 / Jao 8 |
Jaona 9 / Jao 9 |
Jaona 10 / Jao 10 |
Jaona 11 / Jao 11 |
Jaona 12 / Jao 12 |
Jaona 13 / Jao 13 |
Jaona 14 / Jao 14 |
Jaona 15 / Jao 15 |
Jaona 16 / Jao 16 |
Jaona 17 / Jao 17 |
Jaona 18 / Jao 18 |
Jaona 19 / Jao 19 |
Jaona 20 / Jao 20 |
Jaona 21 / Jao 21 |