1 |
Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; |
2 |
ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. |
3 |
Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. |
4 |
Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. |
5 |
Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. |
6 |
Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. |
7 |
Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. |
8 |
Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. |
9 |
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. |
10 |
Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. |
11 |
Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy. |
12 |
Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. |
13 |
Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay. |
14 |
Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. |
15 |
Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny. |
16 |
Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka. |
17 |
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. |
18 |
Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. |
19 |
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy. |
20 |
Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. |
21 |
Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3] |
22 |
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? |
23 |
Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? |
24 |
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. |
25 |
Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra. |
26 |
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. |
27 |
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[Izahao Mat. 9,9] |
28 |
Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. |
29 |
Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy. |
30 |
Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? |
31 |
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; |
32 |
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. |
33 |
Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. |
34 |
Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? |
35 |
Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[Na: Ny andro izay hanesorana] |
36 |
Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta. |
37 |
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra; |
38 |
Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.[Na: tsaratsara kokoa] |
39 |
Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.[Na: tsaratsara kokoa] |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
Lioka 5:1 |
Lioka 5:2 |
Lioka 5:3 |
Lioka 5:4 |
Lioka 5:5 |
Lioka 5:6 |
Lioka 5:7 |
Lioka 5:8 |
Lioka 5:9 |
Lioka 5:10 |
Lioka 5:11 |
Lioka 5:12 |
Lioka 5:13 |
Lioka 5:14 |
Lioka 5:15 |
Lioka 5:16 |
Lioka 5:17 |
Lioka 5:18 |
Lioka 5:19 |
Lioka 5:20 |
Lioka 5:21 |
Lioka 5:22 |
Lioka 5:23 |
Lioka 5:24 |
Lioka 5:25 |
Lioka 5:26 |
Lioka 5:27 |
Lioka 5:28 |
Lioka 5:29 |
Lioka 5:30 |
Lioka 5:31 |
Lioka 5:32 |
Lioka 5:33 |
Lioka 5:34 |
Lioka 5:35 |
Lioka 5:36 |
Lioka 5:37 |
Lioka 5:38 |
Lioka 5:39 |
Lioka 1 / Lio 1 |
Lioka 2 / Lio 2 |
Lioka 3 / Lio 3 |
Lioka 4 / Lio 4 |
Lioka 5 / Lio 5 |
Lioka 6 / Lio 6 |
Lioka 7 / Lio 7 |
Lioka 8 / Lio 8 |
Lioka 9 / Lio 9 |
Lioka 10 / Lio 10 |
Lioka 11 / Lio 11 |
Lioka 12 / Lio 12 |
Lioka 13 / Lio 13 |
Lioka 14 / Lio 14 |
Lioka 15 / Lio 15 |
Lioka 16 / Lio 16 |
Lioka 17 / Lio 17 |
Lioka 18 / Lio 18 |
Lioka 19 / Lio 19 |
Lioka 20 / Lio 20 |
Lioka 21 / Lio 21 |
Lioka 22 / Lio 22 |
Lioka 23 / Lio 23 |
Lioka 24 / Lio 24 |
|
|
|
|
|