1 |
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany! |
2 |
Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[Na: ahodim-boriky] |
3 |
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. |
4 |
Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. |
5 |
Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. |
6 |
Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. |
7 |
Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana? |
8 |
Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao? |
9 |
Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany? |
10 |
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay. |
11 |
Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i Samaria sy Galilia.[Na: Teny anelanelan'i] |
12 |
Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. |
13 |
Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. |
14 |
Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. |
15 |
Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery |
16 |
sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. |
17 |
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? |
18 |
Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? |
19 |
Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao. |
20 |
Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. |
21 |
Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.[Na: efa eo aminareo] |
22 |
Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo. |
23 |
Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy. |
24 |
Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny, |
25 |
Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity. |
26 |
Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: |
27 |
nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. |
28 |
Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; |
29 |
fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. |
30 |
Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona. |
31 |
Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy. |
32 |
Tsarovy ny vadin'i Lota. |
33 |
Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany. |
34 |
Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. |
35 |
Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. |
36 |
[ Ampio hoe: Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela]Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery. |
37 |
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Lioka 17:1 |
Lioka 17:2 |
Lioka 17:3 |
Lioka 17:4 |
Lioka 17:5 |
Lioka 17:6 |
Lioka 17:7 |
Lioka 17:8 |
Lioka 17:9 |
Lioka 17:10 |
Lioka 17:11 |
Lioka 17:12 |
Lioka 17:13 |
Lioka 17:14 |
Lioka 17:15 |
Lioka 17:16 |
Lioka 17:17 |
Lioka 17:18 |
Lioka 17:19 |
Lioka 17:20 |
Lioka 17:21 |
Lioka 17:22 |
Lioka 17:23 |
Lioka 17:24 |
Lioka 17:25 |
Lioka 17:26 |
Lioka 17:27 |
Lioka 17:28 |
Lioka 17:29 |
Lioka 17:30 |
Lioka 17:31 |
Lioka 17:32 |
Lioka 17:33 |
Lioka 17:34 |
Lioka 17:35 |
Lioka 17:36 |
Lioka 17:37 |
|
|
|
|
|
|
Lioka 1 / Lio 1 |
Lioka 2 / Lio 2 |
Lioka 3 / Lio 3 |
Lioka 4 / Lio 4 |
Lioka 5 / Lio 5 |
Lioka 6 / Lio 6 |
Lioka 7 / Lio 7 |
Lioka 8 / Lio 8 |
Lioka 9 / Lio 9 |
Lioka 10 / Lio 10 |
Lioka 11 / Lio 11 |
Lioka 12 / Lio 12 |
Lioka 13 / Lio 13 |
Lioka 14 / Lio 14 |
Lioka 15 / Lio 15 |
Lioka 16 / Lio 16 |
Lioka 17 / Lio 17 |
Lioka 18 / Lio 18 |
Lioka 19 / Lio 19 |
Lioka 20 / Lio 20 |
Lioka 21 / Lio 21 |
Lioka 22 / Lio 22 |
Lioka 23 / Lio 23 |
Lioka 24 / Lio 24 |