1 |
Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina. |
2 |
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe: |
3 |
Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy. |
4 |
Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany. |
5 |
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. |
6 |
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. |
7 |
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. |
8 |
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. |
9 |
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. |
10 |
Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. |
11 |
Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana; |
12 |
mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). |
13 |
Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? |
14 |
Ny mpamafy dia mamafy ny teny. |
15 |
Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. |
16 |
Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; |
17 |
nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. |
18 |
Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, |
19 |
fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. |
20 |
Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. |
21 |
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[Gr. avy] |
22 |
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. |
23 |
Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. |
24 |
Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. |
25 |
Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. |
26 |
Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany |
27 |
ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny |
28 |
Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa. |
29 |
Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano. |
30 |
Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy? |
31 |
Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany; |
32 |
Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony. |
33 |
Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina. |
34 |
Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo. |
35 |
Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. |
36 |
Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. |
37 |
Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. |
38 |
Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? |
39 |
Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. |
40 |
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy? |
41 |
Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Marka 4:1 |
Marka 4:2 |
Marka 4:3 |
Marka 4:4 |
Marka 4:5 |
Marka 4:6 |
Marka 4:7 |
Marka 4:8 |
Marka 4:9 |
Marka 4:10 |
Marka 4:11 |
Marka 4:12 |
Marka 4:13 |
Marka 4:14 |
Marka 4:15 |
Marka 4:16 |
Marka 4:17 |
Marka 4:18 |
Marka 4:19 |
Marka 4:20 |
Marka 4:21 |
Marka 4:22 |
Marka 4:23 |
Marka 4:24 |
Marka 4:25 |
Marka 4:26 |
Marka 4:27 |
Marka 4:28 |
Marka 4:29 |
Marka 4:30 |
Marka 4:31 |
Marka 4:32 |
Marka 4:33 |
Marka 4:34 |
Marka 4:35 |
Marka 4:36 |
Marka 4:37 |
Marka 4:38 |
Marka 4:39 |
Marka 4:40 |
Marka 4:41 |
|
|
|
|
|
|
Marka 1 / Mar 1 |
Marka 2 / Mar 2 |
Marka 3 / Mar 3 |
Marka 4 / Mar 4 |
Marka 5 / Mar 5 |
Marka 6 / Mar 6 |
Marka 7 / Mar 7 |
Marka 8 / Mar 8 |
Marka 9 / Mar 9 |
Marka 10 / Mar 10 |
Marka 11 / Mar 11 |
Marka 12 / Mar 12 |
Marka 13 / Mar 13 |
Marka 14 / Mar 14 |
Marka 15 / Mar 15 |
Marka 16 / Mar 16 |