1 |
Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. |
2 |
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. |
3 |
Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy. |
4 |
Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia. |
5 |
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. |
6 |
Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra. |
7 |
Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra. |
8 |
Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany. |
9 |
Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty. |
10 |
Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha? |
11 |
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra. |
12 |
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona. |
13 |
Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy. |
14 |
Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: |
15 |
Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano. |
16 |
Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy. |
17 |
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy. |
18 |
Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay. |
19 |
Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? |
20 |
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. |
21 |
[Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)] |
22 |
Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Ny Zanak'olona efa hatolotra ho eo an-tànan'ny olona |
23 |
ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo. |
24 |
Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?[Gr. didrakma] |
25 |
Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa? |
26 |
Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao. |
27 |
Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Matio 17:1 |
Matio 17:2 |
Matio 17:3 |
Matio 17:4 |
Matio 17:5 |
Matio 17:6 |
Matio 17:7 |
Matio 17:8 |
Matio 17:9 |
Matio 17:10 |
Matio 17:11 |
Matio 17:12 |
Matio 17:13 |
Matio 17:14 |
Matio 17:15 |
Matio 17:16 |
Matio 17:17 |
Matio 17:18 |
Matio 17:19 |
Matio 17:20 |
Matio 17:21 |
Matio 17:22 |
Matio 17:23 |
Matio 17:24 |
Matio 17:25 |
Matio 17:26 |
Matio 17:27 |
|
|
|
|
|
|
Matio 1 / Mat 1 |
Matio 2 / Mat 2 |
Matio 3 / Mat 3 |
Matio 4 / Mat 4 |
Matio 5 / Mat 5 |
Matio 6 / Mat 6 |
Matio 7 / Mat 7 |
Matio 8 / Mat 8 |
Matio 9 / Mat 9 |
Matio 10 / Mat 10 |
Matio 11 / Mat 11 |
Matio 12 / Mat 12 |
Matio 13 / Mat 13 |
Matio 14 / Mat 14 |
Matio 15 / Mat 15 |
Matio 16 / Mat 16 |
Matio 17 / Mat 17 |
Matio 18 / Mat 18 |
Matio 19 / Mat 19 |
Matio 20 / Mat 20 |
Matio 21 / Mat 21 |
Matio 22 / Mat 22 |
Matio 23 / Mat 23 |
Matio 24 / Mat 24 |
Matio 25 / Mat 25 |
Matio 26 / Mat 26 |
Matio 27 / Mat 27 |
Matio 28 / Mat 28 |