1 |
Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy. |
2 |
[Lalàna ny amin'ny hahatanterahana ny voady sy ny hanafoanana azy] Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: |
3 |
Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. |
4 |
Ary raha misy vehivavy mivoady amin'i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy, |
5 |
ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny. |
6 |
Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy. |
7 |
Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon'ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady, |
8 |
ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. |
9 |
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony. |
10 |
Fa ny amin'ny voadin'ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny. |
11 |
Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon'ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady, |
12 |
ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny. |
13 |
Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony. |
14 |
Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy. |
15 |
Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany. |
16 |
Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian'ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy. |
17 |
Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Nomery 30:1 |
Nomery 30:2 |
Nomery 30:3 |
Nomery 30:4 |
Nomery 30:5 |
Nomery 30:6 |
Nomery 30:7 |
Nomery 30:8 |
Nomery 30:9 |
Nomery 30:10 |
Nomery 30:11 |
Nomery 30:12 |
Nomery 30:13 |
Nomery 30:14 |
Nomery 30:15 |
Nomery 30:16 |
Nomery 30:17 |
|
|
|
|
|
|
Nomery 1 / Nom 1 |
Nomery 2 / Nom 2 |
Nomery 3 / Nom 3 |
Nomery 4 / Nom 4 |
Nomery 5 / Nom 5 |
Nomery 6 / Nom 6 |
Nomery 7 / Nom 7 |
Nomery 8 / Nom 8 |
Nomery 9 / Nom 9 |
Nomery 10 / Nom 10 |
Nomery 11 / Nom 11 |
Nomery 12 / Nom 12 |
Nomery 13 / Nom 13 |
Nomery 14 / Nom 14 |
Nomery 15 / Nom 15 |
Nomery 16 / Nom 16 |
Nomery 17 / Nom 17 |
Nomery 18 / Nom 18 |
Nomery 19 / Nom 19 |
Nomery 20 / Nom 20 |
Nomery 21 / Nom 21 |
Nomery 22 / Nom 22 |
Nomery 23 / Nom 23 |
Nomery 24 / Nom 24 |
Nomery 25 / Nom 25 |
Nomery 26 / Nom 26 |
Nomery 27 / Nom 27 |
Nomery 28 / Nom 28 |
Nomery 29 / Nom 29 |
Nomery 30 / Nom 30 |
Nomery 31 / Nom 31 |
Nomery 32 / Nom 32 |
Nomery 33 / Nom 33 |
Nomery 34 / Nom 34 |
Nomery 35 / Nom 35 |
Nomery 36 / Nom 36 |