1 |
[Ny nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny zanakavavin'ny Moabita] Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy. |
2 |
Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny. |
3 |
Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah. |
4 |
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely. |
5 |
Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora. |
6 |
Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. |
7 |
Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany; |
8 |
dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely. |
9 |
Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina. |
10 |
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
11 |
Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako. |
12 |
Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako; |
13 |
ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely. |
14 |
Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita. |
15 |
Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita. |
16 |
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
17 |
Rafeso ny Midianita, ka iadio;fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora. |
18 |
fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Nomery 25:1 |
Nomery 25:2 |
Nomery 25:3 |
Nomery 25:4 |
Nomery 25:5 |
Nomery 25:6 |
Nomery 25:7 |
Nomery 25:8 |
Nomery 25:9 |
Nomery 25:10 |
Nomery 25:11 |
Nomery 25:12 |
Nomery 25:13 |
Nomery 25:14 |
Nomery 25:15 |
Nomery 25:16 |
Nomery 25:17 |
Nomery 25:18 |
|
|
|
|
|
|
Nomery 1 / Nom 1 |
Nomery 2 / Nom 2 |
Nomery 3 / Nom 3 |
Nomery 4 / Nom 4 |
Nomery 5 / Nom 5 |
Nomery 6 / Nom 6 |
Nomery 7 / Nom 7 |
Nomery 8 / Nom 8 |
Nomery 9 / Nom 9 |
Nomery 10 / Nom 10 |
Nomery 11 / Nom 11 |
Nomery 12 / Nom 12 |
Nomery 13 / Nom 13 |
Nomery 14 / Nom 14 |
Nomery 15 / Nom 15 |
Nomery 16 / Nom 16 |
Nomery 17 / Nom 17 |
Nomery 18 / Nom 18 |
Nomery 19 / Nom 19 |
Nomery 20 / Nom 20 |
Nomery 21 / Nom 21 |
Nomery 22 / Nom 22 |
Nomery 23 / Nom 23 |
Nomery 24 / Nom 24 |
Nomery 25 / Nom 25 |
Nomery 26 / Nom 26 |
Nomery 27 / Nom 27 |
Nomery 28 / Nom 28 |
Nomery 29 / Nom 29 |
Nomery 30 / Nom 30 |
Nomery 31 / Nom 31 |
Nomery 32 / Nom 32 |
Nomery 33 / Nom 33 |
Nomery 34 / Nom 34 |
Nomery 35 / Nom 35 |
Nomery 36 / Nom 36 |