1 |
[Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. |
2 |
Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany. |
3 |
Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany. |
4 |
Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. |
5 |
Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. |
6 |
Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy. |
7 |
Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra. |
8 |
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko? |
9 |
Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy. |
10 |
Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy. |
11 |
Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. |
12 |
Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy. |
13 |
Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! |
14 |
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray. |
15 |
Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana. |
16 |
Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Nomery 12:1 |
Nomery 12:2 |
Nomery 12:3 |
Nomery 12:4 |
Nomery 12:5 |
Nomery 12:6 |
Nomery 12:7 |
Nomery 12:8 |
Nomery 12:9 |
Nomery 12:10 |
Nomery 12:11 |
Nomery 12:12 |
Nomery 12:13 |
Nomery 12:14 |
Nomery 12:15 |
Nomery 12:16 |
|
|
|
|
|
|
Nomery 1 / Nom 1 |
Nomery 2 / Nom 2 |
Nomery 3 / Nom 3 |
Nomery 4 / Nom 4 |
Nomery 5 / Nom 5 |
Nomery 6 / Nom 6 |
Nomery 7 / Nom 7 |
Nomery 8 / Nom 8 |
Nomery 9 / Nom 9 |
Nomery 10 / Nom 10 |
Nomery 11 / Nom 11 |
Nomery 12 / Nom 12 |
Nomery 13 / Nom 13 |
Nomery 14 / Nom 14 |
Nomery 15 / Nom 15 |
Nomery 16 / Nom 16 |
Nomery 17 / Nom 17 |
Nomery 18 / Nom 18 |
Nomery 19 / Nom 19 |
Nomery 20 / Nom 20 |
Nomery 21 / Nom 21 |
Nomery 22 / Nom 22 |
Nomery 23 / Nom 23 |
Nomery 24 / Nom 24 |
Nomery 25 / Nom 25 |
Nomery 26 / Nom 26 |
Nomery 27 / Nom 27 |
Nomery 28 / Nom 28 |
Nomery 29 / Nom 29 |
Nomery 30 / Nom 30 |
Nomery 31 / Nom 31 |
Nomery 32 / Nom 32 |
Nomery 33 / Nom 33 |
Nomery 34 / Nom 34 |
Nomery 35 / Nom 35 |
Nomery 36 / Nom 36 |