1 |
Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho. |
2 |
[Faminaniana koa ny amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia. |
3 |
Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. |
4 |
Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo. |
5 |
Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany. |
6 |
Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany.[Na: dia samy amin'ny fotoany avy] |
7 |
Fa hisy solofony anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy. |
8 |
Ary ny andriamaniny koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan'ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho] |
9 |
Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany. |
10 |
Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza. |
11 |
Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany. |
12 |
Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery. |
13 |
Fa hiverina ny mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka. |
14 |
Ary amin'izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy. |
15 |
Ka dia ho avy ny mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany. |
16 |
Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany. |
17 |
Dia hivonona tsara handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory. |
18 |
Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony. |
19 |
Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita. |
20 |
Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady. |
21 |
Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny fahafetsena, |
22 |
ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin'ny safotra] |
23 |
Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny. |
24 |
Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana. |
25 |
Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy. |
26 |
Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra. |
27 |
Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany. |
28 |
Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy |
29 |
Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany; |
30 |
fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina. |
31 |
Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry] |
32 |
Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy.[Na: dia hahery ka hahefa] |
33 |
Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy. |
34 |
Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy. |
35 |
Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany. |
36 |
Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. |
37 |
Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. |
38 |
Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. |
39 |
Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia. |
40 |
Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra. |
41 |
Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona. |
42 |
Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. |
43 |
Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy. |
44 |
Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy. |
45 |
Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Daniela 11:1 |
Daniela 11:2 |
Daniela 11:3 |
Daniela 11:4 |
Daniela 11:5 |
Daniela 11:6 |
Daniela 11:7 |
Daniela 11:8 |
Daniela 11:9 |
Daniela 11:10 |
Daniela 11:11 |
Daniela 11:12 |
Daniela 11:13 |
Daniela 11:14 |
Daniela 11:15 |
Daniela 11:16 |
Daniela 11:17 |
Daniela 11:18 |
Daniela 11:19 |
Daniela 11:20 |
Daniela 11:21 |
Daniela 11:22 |
Daniela 11:23 |
Daniela 11:24 |
Daniela 11:25 |
Daniela 11:26 |
Daniela 11:27 |
Daniela 11:28 |
Daniela 11:29 |
Daniela 11:30 |
Daniela 11:31 |
Daniela 11:32 |
Daniela 11:33 |
Daniela 11:34 |
Daniela 11:35 |
Daniela 11:36 |
Daniela 11:37 |
Daniela 11:38 |
Daniela 11:39 |
Daniela 11:40 |
Daniela 11:41 |
Daniela 11:42 |
Daniela 11:43 |
Daniela 11:44 |
Daniela 11:45 |
|
|
|
|
|
|
Daniela 1 / Dan 1 |
Daniela 2 / Dan 2 |
Daniela 3 / Dan 3 |
Daniela 4 / Dan 4 |
Daniela 5 / Dan 5 |
Daniela 6 / Dan 6 |
Daniela 7 / Dan 7 |
Daniela 8 / Dan 8 |
Daniela 9 / Dan 9 |
Daniela 10 / Dan 10 |
Daniela 11 / Dan 11 |
Daniela 12 / Dan 12 |