1 |
[Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana. |
2 |
Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina. |
3 |
Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany. |
4 |
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko] |
5 |
Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy, |
6 |
Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo. |
7 |
Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna. |
8 |
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao? |
9 |
Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita. |
10 |
Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.[Heb. lalany]Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy. |
11 |
Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Ezekiela 9:1 |
Ezekiela 9:2 |
Ezekiela 9:3 |
Ezekiela 9:4 |
Ezekiela 9:5 |
Ezekiela 9:6 |
Ezekiela 9:7 |
Ezekiela 9:8 |
Ezekiela 9:9 |
Ezekiela 9:10 |
Ezekiela 9:11 |
|
|
|
|
|
|
Ezekiela 1 / Eze 1 |
Ezekiela 2 / Eze 2 |
Ezekiela 3 / Eze 3 |
Ezekiela 4 / Eze 4 |
Ezekiela 5 / Eze 5 |
Ezekiela 6 / Eze 6 |
Ezekiela 7 / Eze 7 |
Ezekiela 8 / Eze 8 |
Ezekiela 9 / Eze 9 |
Ezekiela 10 / Eze 10 |
Ezekiela 11 / Eze 11 |
Ezekiela 12 / Eze 12 |
Ezekiela 13 / Eze 13 |
Ezekiela 14 / Eze 14 |
Ezekiela 15 / Eze 15 |
Ezekiela 16 / Eze 16 |
Ezekiela 17 / Eze 17 |
Ezekiela 18 / Eze 18 |
Ezekiela 19 / Eze 19 |
Ezekiela 20 / Eze 20 |
Ezekiela 21 / Eze 21 |
Ezekiela 22 / Eze 22 |
Ezekiela 23 / Eze 23 |
Ezekiela 24 / Eze 24 |
Ezekiela 25 / Eze 25 |
Ezekiela 26 / Eze 26 |
Ezekiela 27 / Eze 27 |
Ezekiela 28 / Eze 28 |
Ezekiela 29 / Eze 29 |
Ezekiela 30 / Eze 30 |
Ezekiela 31 / Eze 31 |
Ezekiela 32 / Eze 32 |
Ezekiela 33 / Eze 33 |
Ezekiela 34 / Eze 34 |
Ezekiela 35 / Eze 35 |
Ezekiela 36 / Eze 36 |
Ezekiela 37 / Eze 37 |
Ezekiela 38 / Eze 38 |
Ezekiela 39 / Eze 39 |
Ezekiela 40 / Eze 40 |
Ezekiela 41 / Eze 41 |
Ezekiela 42 / Eze 42 |
Ezekiela 43 / Eze 43 |
Ezekiela 44 / Eze 44 |
Ezekiela 45 / Eze 45 |
Ezekiela 46 / Eze 46 |
Ezekiela 47 / Eze 47 |
Ezekiela 48 / Eze 48 |