1 |
[Ny nanetrena an'i Asyria atao fananarana an'i Egypta] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: |
2 |
Ry zanak'olona, ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ? |
3 |
Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony. |
4 |
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha. |
5 |
Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany. |
6 |
Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra. |
7 |
Ka dia tsara tarehy tamin'ny fahalehibiazany sy ny halavan'ny sampany izy; Fa tany amin'ny rano maro ny fakany. |
8 |
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra. |
9 |
Nohatsaraiko tamin'ny haben'ny rantsany ny tarehiny; Ka dia nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin'ny sahan'Andriamanitra. |
10 |
Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin'ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,[Heb. ianao] |
11 |
Dia hatolotro eo an-tànan'ilay mahery amin'ny firenena izy; Hamely azy tokoa io; Noho ny faharatsiany no nandroahako azy. |
12 |
Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy. |
13 |
Mipetraka eo amin'ny vatany nianjera ny voro-manidina rehetra, ary eny amin'ny sampany ny bibi-dia rehetra, |
14 |
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka. |
15 |
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.[Heb. sheola] |
16 |
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,[Heb. sheola] |
17 |
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita, ho any amin'izay voatrabaky ny sabatra, mbamin'ireo izay efa sandriny teo, ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony teo amin'ny firenena.[Heb. sheola]Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo. |
18 |
Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Ezekiela 31:1 |
Ezekiela 31:2 |
Ezekiela 31:3 |
Ezekiela 31:4 |
Ezekiela 31:5 |
Ezekiela 31:6 |
Ezekiela 31:7 |
Ezekiela 31:8 |
Ezekiela 31:9 |
Ezekiela 31:10 |
Ezekiela 31:11 |
Ezekiela 31:12 |
Ezekiela 31:13 |
Ezekiela 31:14 |
Ezekiela 31:15 |
Ezekiela 31:16 |
Ezekiela 31:17 |
Ezekiela 31:18 |
|
|
|
|
|
|
Ezekiela 1 / Eze 1 |
Ezekiela 2 / Eze 2 |
Ezekiela 3 / Eze 3 |
Ezekiela 4 / Eze 4 |
Ezekiela 5 / Eze 5 |
Ezekiela 6 / Eze 6 |
Ezekiela 7 / Eze 7 |
Ezekiela 8 / Eze 8 |
Ezekiela 9 / Eze 9 |
Ezekiela 10 / Eze 10 |
Ezekiela 11 / Eze 11 |
Ezekiela 12 / Eze 12 |
Ezekiela 13 / Eze 13 |
Ezekiela 14 / Eze 14 |
Ezekiela 15 / Eze 15 |
Ezekiela 16 / Eze 16 |
Ezekiela 17 / Eze 17 |
Ezekiela 18 / Eze 18 |
Ezekiela 19 / Eze 19 |
Ezekiela 20 / Eze 20 |
Ezekiela 21 / Eze 21 |
Ezekiela 22 / Eze 22 |
Ezekiela 23 / Eze 23 |
Ezekiela 24 / Eze 24 |
Ezekiela 25 / Eze 25 |
Ezekiela 26 / Eze 26 |
Ezekiela 27 / Eze 27 |
Ezekiela 28 / Eze 28 |
Ezekiela 29 / Eze 29 |
Ezekiela 30 / Eze 30 |
Ezekiela 31 / Eze 31 |
Ezekiela 32 / Eze 32 |
Ezekiela 33 / Eze 33 |
Ezekiela 34 / Eze 34 |
Ezekiela 35 / Eze 35 |
Ezekiela 36 / Eze 36 |
Ezekiela 37 / Eze 37 |
Ezekiela 38 / Eze 38 |
Ezekiela 39 / Eze 39 |
Ezekiela 40 / Eze 40 |
Ezekiela 41 / Eze 41 |
Ezekiela 42 / Eze 42 |
Ezekiela 43 / Eze 43 |
Ezekiela 44 / Eze 44 |
Ezekiela 45 / Eze 45 |
Ezekiela 46 / Eze 46 |
Ezekiela 47 / Eze 47 |
Ezekiela 48 / Eze 48 |