1 |
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely. |
2 |
Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany. |
3 |
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy. |
4 |
[Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko. |
5 |
Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany; |
6 |
tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy. |
7 |
Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po. |
8 |
Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny. |
9 |
Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. |
10 |
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao] |
11 |
Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino. |
12 |
Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra] |
13 |
Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be. |
14 |
Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[Na: rivotra][Heb. mangidy] |
15 |
Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho. |
16 |
Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: |
17 |
Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy. |
18 |
Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny. |
19 |
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao. |
20 |
Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny. |
21 |
Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao. |
22 |
[Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao. |
23 |
Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho. |
24 |
Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao. |
25 |
Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao. |
26 |
Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy. |
27 |
Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Ezekiela 3:1 |
Ezekiela 3:2 |
Ezekiela 3:3 |
Ezekiela 3:4 |
Ezekiela 3:5 |
Ezekiela 3:6 |
Ezekiela 3:7 |
Ezekiela 3:8 |
Ezekiela 3:9 |
Ezekiela 3:10 |
Ezekiela 3:11 |
Ezekiela 3:12 |
Ezekiela 3:13 |
Ezekiela 3:14 |
Ezekiela 3:15 |
Ezekiela 3:16 |
Ezekiela 3:17 |
Ezekiela 3:18 |
Ezekiela 3:19 |
Ezekiela 3:20 |
Ezekiela 3:21 |
Ezekiela 3:22 |
Ezekiela 3:23 |
Ezekiela 3:24 |
Ezekiela 3:25 |
Ezekiela 3:26 |
Ezekiela 3:27 |
|
|
|
|
|
|
Ezekiela 1 / Eze 1 |
Ezekiela 2 / Eze 2 |
Ezekiela 3 / Eze 3 |
Ezekiela 4 / Eze 4 |
Ezekiela 5 / Eze 5 |
Ezekiela 6 / Eze 6 |
Ezekiela 7 / Eze 7 |
Ezekiela 8 / Eze 8 |
Ezekiela 9 / Eze 9 |
Ezekiela 10 / Eze 10 |
Ezekiela 11 / Eze 11 |
Ezekiela 12 / Eze 12 |
Ezekiela 13 / Eze 13 |
Ezekiela 14 / Eze 14 |
Ezekiela 15 / Eze 15 |
Ezekiela 16 / Eze 16 |
Ezekiela 17 / Eze 17 |
Ezekiela 18 / Eze 18 |
Ezekiela 19 / Eze 19 |
Ezekiela 20 / Eze 20 |
Ezekiela 21 / Eze 21 |
Ezekiela 22 / Eze 22 |
Ezekiela 23 / Eze 23 |
Ezekiela 24 / Eze 24 |
Ezekiela 25 / Eze 25 |
Ezekiela 26 / Eze 26 |
Ezekiela 27 / Eze 27 |
Ezekiela 28 / Eze 28 |
Ezekiela 29 / Eze 29 |
Ezekiela 30 / Eze 30 |
Ezekiela 31 / Eze 31 |
Ezekiela 32 / Eze 32 |
Ezekiela 33 / Eze 33 |
Ezekiela 34 / Eze 34 |
Ezekiela 35 / Eze 35 |
Ezekiela 36 / Eze 36 |
Ezekiela 37 / Eze 37 |
Ezekiela 38 / Eze 38 |
Ezekiela 39 / Eze 39 |
Ezekiela 40 / Eze 40 |
Ezekiela 41 / Eze 41 |
Ezekiela 42 / Eze 42 |
Ezekiela 43 / Eze 43 |
Ezekiela 44 / Eze 44 |
Ezekiela 45 / Eze 45 |
Ezekiela 46 / Eze 46 |
Ezekiela 47 / Eze 47 |
Ezekiela 48 / Eze 48 |