1 |
[Fitarainana amin'Andriamanitra sy fangatahana ny hodian'ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay. |
2 |
Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena. |
3 |
Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena. |
4 |
Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo. |
5 |
Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana. |
6 |
Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina. |
7 |
Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony. |
8 |
Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany. |
9 |
Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina. |
10 |
Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary. |
11 |
Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda. |
12 |
Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina. |
13 |
Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo. |
14 |
Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony. |
15 |
Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana. |
16 |
Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota! |
17 |
Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay, |
18 |
Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo. |
19 |
Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. |
20 |
Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ? |
21 |
Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra? |
22 |
Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Fitomaniana 5:1 |
Fitomaniana 5:2 |
Fitomaniana 5:3 |
Fitomaniana 5:4 |
Fitomaniana 5:5 |
Fitomaniana 5:6 |
Fitomaniana 5:7 |
Fitomaniana 5:8 |
Fitomaniana 5:9 |
Fitomaniana 5:10 |
Fitomaniana 5:11 |
Fitomaniana 5:12 |
Fitomaniana 5:13 |
Fitomaniana 5:14 |
Fitomaniana 5:15 |
Fitomaniana 5:16 |
Fitomaniana 5:17 |
Fitomaniana 5:18 |
Fitomaniana 5:19 |
Fitomaniana 5:20 |
Fitomaniana 5:21 |
Fitomaniana 5:22 |
|
|
|
|
|
|
Fitomaniana 1 / Fit 1 |
Fitomaniana 2 / Fit 2 |
Fitomaniana 3 / Fit 3 |
Fitomaniana 4 / Fit 4 |
Fitomaniana 5 / Fit 5 |