1 |
[Ny amin'ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon'Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin'ny tsorakazon'ny fahatezerany. |
2 |
Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin'ny maizina, fa tsy ho amin'ny mazava. |
3 |
Izaho ihany no asian'ny tànany mandritra ny andro mandrakariva. |
4 |
[BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako. |
5 |
Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin'ny zava-mangidy sy ny fahoriana. |
6 |
Ampitoeriny ao amin'ny maizina toy izay efa maty fahagola aho. |
7 |
[GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako. |
8 |
Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako. |
9 |
Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako. |
10 |
[DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena; |
11 |
Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina. |
12 |
Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka. |
13 |
[HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka] |
14 |
Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro. |
15 |
Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty. |
16 |
[VAO] Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho. |
17 |
Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara. |
18 |
Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah. |
19 |
[ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy. |
20 |
Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy. |
21 |
Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho. |
22 |
[HETA] Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. |
23 |
Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. |
24 |
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho. |
25 |
[TETA] Tsara Jehovah amin'izay manantena Azy, dia amin'ny olona izay mitady Azy. |
26 |
Tsara ny miandry ny famonjen'i Jehovah amin'ny fanginana. |
27 |
Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy. |
28 |
[JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany. |
29 |
Aoka hanohoka ny vavany eo amin'ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina. |
30 |
Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa. |
31 |
[KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo; |
32 |
Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony. |
33 |
Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona. |
34 |
[LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra, |
35 |
Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra, |
36 |
Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.[Heb. jeren'] |
37 |
[MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo? |
38 |
Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ? |
39 |
Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy? [Na: Eny, nahoana no imonomononan'ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?] |
40 |
[NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah. |
41 |
Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika. |
42 |
Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka. |
43 |
[SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao. |
44 |
Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka. |
45 |
Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan'ny firenena izahay. |
46 |
[PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay. |
47 |
Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana. |
48 |
Rano mandriaka no mijononoka amin'ny masoko noho ny faharatran'ny oloko zanakavavy. |
49 |
[AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana, |
50 |
Ambara-pitazan'i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra. |
51 |
Ny masoko mampiditra fahoriana ho an'ny fanahiko noho ny amin'ny zanakavavin'ny tanànako rehetra. |
52 |
[TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely. |
53 |
Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy. |
54 |
Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty aho ity![Heb. Voajinja] |
55 |
[KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho. |
56 |
Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. |
57 |
Nanakaiky Hianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra. |
58 |
[RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao. |
59 |
Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko. |
60 |
Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon'ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy |
61 |
[SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy, |
62 |
Dia ny molotr'izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy. |
63 |
Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho. |
64 |
[TAO] Hovalianao araka ny asan'ny tànany izy, Jehovah ô. |
65 |
Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah. |
66 |
Henjehinao amin'ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin'ny lanitr'i Jehovah.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Fitomaniana 3:1 |
Fitomaniana 3:2 |
Fitomaniana 3:3 |
Fitomaniana 3:4 |
Fitomaniana 3:5 |
Fitomaniana 3:6 |
Fitomaniana 3:7 |
Fitomaniana 3:8 |
Fitomaniana 3:9 |
Fitomaniana 3:10 |
Fitomaniana 3:11 |
Fitomaniana 3:12 |
Fitomaniana 3:13 |
Fitomaniana 3:14 |
Fitomaniana 3:15 |
Fitomaniana 3:16 |
Fitomaniana 3:17 |
Fitomaniana 3:18 |
Fitomaniana 3:19 |
Fitomaniana 3:20 |
Fitomaniana 3:21 |
Fitomaniana 3:22 |
Fitomaniana 3:23 |
Fitomaniana 3:24 |
Fitomaniana 3:25 |
Fitomaniana 3:26 |
Fitomaniana 3:27 |
Fitomaniana 3:28 |
Fitomaniana 3:29 |
Fitomaniana 3:30 |
Fitomaniana 3:31 |
Fitomaniana 3:32 |
Fitomaniana 3:33 |
Fitomaniana 3:34 |
Fitomaniana 3:35 |
Fitomaniana 3:36 |
Fitomaniana 3:37 |
Fitomaniana 3:38 |
Fitomaniana 3:39 |
Fitomaniana 3:40 |
Fitomaniana 3:41 |
Fitomaniana 3:42 |
Fitomaniana 3:43 |
Fitomaniana 3:44 |
Fitomaniana 3:45 |
Fitomaniana 3:46 |
Fitomaniana 3:47 |
Fitomaniana 3:48 |
Fitomaniana 3:49 |
Fitomaniana 3:50 |
Fitomaniana 3:51 |
Fitomaniana 3:52 |
Fitomaniana 3:53 |
Fitomaniana 3:54 |
Fitomaniana 3:55 |
Fitomaniana 3:56 |
Fitomaniana 3:57 |
Fitomaniana 3:58 |
Fitomaniana 3:59 |
Fitomaniana 3:60 |
Fitomaniana 3:61 |
Fitomaniana 3:62 |
Fitomaniana 3:63 |
Fitomaniana 3:64 |
Fitomaniana 3:65 |
Fitomaniana 3:66 |
|
|
|
|
|
|
Fitomaniana 1 / Fit 1 |
Fitomaniana 2 / Fit 2 |
Fitomaniana 3 / Fit 3 |
Fitomaniana 4 / Fit 4 |
Fitomaniana 5 / Fit 5 |