1 |
[Ny hampodiana ny voninahitry ny Isiraely, sy ny hampijaliana izay nampahory azy] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: |
2 |
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao. |
3 |
Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin'ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin'ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany. |
4 |
Ary izao no teny izay nolazain'i Jehovah ny amin'ny Isiraely sy ny Joda, |
5 |
eny, izao no lazain'i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana. |
6 |
Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa? |
7 |
Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy. |
8 |
Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony; [Heb. azy] |
9 |
Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.[Heb. Mpanjakany] |
10 |
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy. |
11 |
Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. |
12 |
Fa izao no lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao. |
13 |
Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny ferinao ianao.[Na: Tsy misy mikarakara ny raharahanao hamoritana ny ferinao, Ary tsy, manana plasitera fanasitranana ianao] |
14 |
Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin'ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan'ny lozabe, noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao. |
15 |
Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao no nanaovako izany taminao. |
16 |
Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina. |
17 |
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity. |
18 |
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin'ny havoany, ary ny lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy. |
19 |
Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy. |
20 |
Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy. |
21 |
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.[Heb. fony] |
22 |
Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo. |
23 |
He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany. |
24 |
Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Jeremia 30:1 |
Jeremia 30:2 |
Jeremia 30:3 |
Jeremia 30:4 |
Jeremia 30:5 |
Jeremia 30:6 |
Jeremia 30:7 |
Jeremia 30:8 |
Jeremia 30:9 |
Jeremia 30:10 |
Jeremia 30:11 |
Jeremia 30:12 |
Jeremia 30:13 |
Jeremia 30:14 |
Jeremia 30:15 |
Jeremia 30:16 |
Jeremia 30:17 |
Jeremia 30:18 |
Jeremia 30:19 |
Jeremia 30:20 |
Jeremia 30:21 |
Jeremia 30:22 |
Jeremia 30:23 |
Jeremia 30:24 |
|
|
|
|
|
|
Jeremia 1 / Jer 1 |
Jeremia 2 / Jer 2 |
Jeremia 3 / Jer 3 |
Jeremia 4 / Jer 4 |
Jeremia 5 / Jer 5 |
Jeremia 6 / Jer 6 |
Jeremia 7 / Jer 7 |
Jeremia 8 / Jer 8 |
Jeremia 9 / Jer 9 |
Jeremia 10 / Jer 10 |
Jeremia 11 / Jer 11 |
Jeremia 12 / Jer 12 |
Jeremia 13 / Jer 13 |
Jeremia 14 / Jer 14 |
Jeremia 15 / Jer 15 |
Jeremia 16 / Jer 16 |
Jeremia 17 / Jer 17 |
Jeremia 18 / Jer 18 |
Jeremia 19 / Jer 19 |
Jeremia 20 / Jer 20 |
Jeremia 21 / Jer 21 |
Jeremia 22 / Jer 22 |
Jeremia 23 / Jer 23 |
Jeremia 24 / Jer 24 |
Jeremia 25 / Jer 25 |
Jeremia 26 / Jer 26 |
Jeremia 27 / Jer 27 |
Jeremia 28 / Jer 28 |
Jeremia 29 / Jer 29 |
Jeremia 30 / Jer 30 |
Jeremia 31 / Jer 31 |
Jeremia 32 / Jer 32 |
Jeremia 33 / Jer 33 |
Jeremia 34 / Jer 34 |
Jeremia 35 / Jer 35 |
Jeremia 36 / Jer 36 |
Jeremia 37 / Jer 37 |
Jeremia 38 / Jer 38 |
Jeremia 39 / Jer 39 |
Jeremia 40 / Jer 40 |
Jeremia 41 / Jer 41 |
Jeremia 42 / Jer 42 |
Jeremia 43 / Jer 43 |
Jeremia 44 / Jer 44 |
Jeremia 45 / Jer 45 |
Jeremia 46 / Jer 46 |
Jeremia 47 / Jer 47 |
Jeremia 48 / Jer 48 |
Jeremia 49 / Jer 49 |
Jeremia 50 / Jer 50 |
Jeremia 51 / Jer 51 |
Jeremia 52 / Jer 52 |