1 |
[Ny niantsoana an'i Jeremia ho mpaminany, sy ny nanambarana taminy izay ho raharahany] Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina, |
2 |
izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany, |
3 |
sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy. |
4 |
Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: |
5 |
Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. |
6 |
Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. |
7 |
Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. |
8 |
Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. |
9 |
Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, |
10 |
ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly. |
11 |
Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe "hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany] |
12 |
Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko. |
13 |
Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany. |
14 |
Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany. |
15 |
Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. |
16 |
Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany. |
17 |
Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. |
18 |
Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. |
19 |
Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Jeremia 1:1 |
Jeremia 1:2 |
Jeremia 1:3 |
Jeremia 1:4 |
Jeremia 1:5 |
Jeremia 1:6 |
Jeremia 1:7 |
Jeremia 1:8 |
Jeremia 1:9 |
Jeremia 1:10 |
Jeremia 1:11 |
Jeremia 1:12 |
Jeremia 1:13 |
Jeremia 1:14 |
Jeremia 1:15 |
Jeremia 1:16 |
Jeremia 1:17 |
Jeremia 1:18 |
Jeremia 1:19 |
|
|
|
|
|
|
Jeremia 1 / Jer 1 |
Jeremia 2 / Jer 2 |
Jeremia 3 / Jer 3 |
Jeremia 4 / Jer 4 |
Jeremia 5 / Jer 5 |
Jeremia 6 / Jer 6 |
Jeremia 7 / Jer 7 |
Jeremia 8 / Jer 8 |
Jeremia 9 / Jer 9 |
Jeremia 10 / Jer 10 |
Jeremia 11 / Jer 11 |
Jeremia 12 / Jer 12 |
Jeremia 13 / Jer 13 |
Jeremia 14 / Jer 14 |
Jeremia 15 / Jer 15 |
Jeremia 16 / Jer 16 |
Jeremia 17 / Jer 17 |
Jeremia 18 / Jer 18 |
Jeremia 19 / Jer 19 |
Jeremia 20 / Jer 20 |
Jeremia 21 / Jer 21 |
Jeremia 22 / Jer 22 |
Jeremia 23 / Jer 23 |
Jeremia 24 / Jer 24 |
Jeremia 25 / Jer 25 |
Jeremia 26 / Jer 26 |
Jeremia 27 / Jer 27 |
Jeremia 28 / Jer 28 |
Jeremia 29 / Jer 29 |
Jeremia 30 / Jer 30 |
Jeremia 31 / Jer 31 |
Jeremia 32 / Jer 32 |
Jeremia 33 / Jer 33 |
Jeremia 34 / Jer 34 |
Jeremia 35 / Jer 35 |
Jeremia 36 / Jer 36 |
Jeremia 37 / Jer 37 |
Jeremia 38 / Jer 38 |
Jeremia 39 / Jer 39 |
Jeremia 40 / Jer 40 |
Jeremia 41 / Jer 41 |
Jeremia 42 / Jer 42 |
Jeremia 43 / Jer 43 |
Jeremia 44 / Jer 44 |
Jeremia 45 / Jer 45 |
Jeremia 46 / Jer 46 |
Jeremia 47 / Jer 47 |
Jeremia 48 / Jer 48 |
Jeremia 49 / Jer 49 |
Jeremia 50 / Jer 50 |
Jeremia 51 / Jer 51 |
Jeremia 52 / Jer 52 |