1 |
[Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy. |
2 |
Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra. |
3 |
Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina] |
4 |
ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia. |
5 |
Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe: |
6 |
Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany, |
7 |
Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany; |
8 |
Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony), |
9 |
Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra. |
10 |
Ary Jehovah mbola niteny tamin'i Ahaza ihany ka nanao hoe: |
11 |
Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. |
12 |
Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah |
13 |
Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? |
14 |
Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela. [Na: zazavavy][Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] |
15 |
Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany. |
16 |
Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo. |
17 |
Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria); |
18 |
Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria; |
19 |
Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra. |
20 |
Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata] |
21 |
Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona; |
22 |
Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany. |
23 |
Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo. |
24 |
Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan'] |
25 |
Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Isaia 7:1 |
Isaia 7:2 |
Isaia 7:3 |
Isaia 7:4 |
Isaia 7:5 |
Isaia 7:6 |
Isaia 7:7 |
Isaia 7:8 |
Isaia 7:9 |
Isaia 7:10 |
Isaia 7:11 |
Isaia 7:12 |
Isaia 7:13 |
Isaia 7:14 |
Isaia 7:15 |
Isaia 7:16 |
Isaia 7:17 |
Isaia 7:18 |
Isaia 7:19 |
Isaia 7:20 |
Isaia 7:21 |
Isaia 7:22 |
Isaia 7:23 |
Isaia 7:24 |
Isaia 7:25 |
|
|
|
|
|
|
Isaia 1 / Isa 1 |
Isaia 2 / Isa 2 |
Isaia 3 / Isa 3 |
Isaia 4 / Isa 4 |
Isaia 5 / Isa 5 |
Isaia 6 / Isa 6 |
Isaia 7 / Isa 7 |
Isaia 8 / Isa 8 |
Isaia 9 / Isa 9 |
Isaia 10 / Isa 10 |
Isaia 11 / Isa 11 |
Isaia 12 / Isa 12 |
Isaia 13 / Isa 13 |
Isaia 14 / Isa 14 |
Isaia 15 / Isa 15 |
Isaia 16 / Isa 16 |
Isaia 17 / Isa 17 |
Isaia 18 / Isa 18 |
Isaia 19 / Isa 19 |
Isaia 20 / Isa 20 |
Isaia 21 / Isa 21 |
Isaia 22 / Isa 22 |
Isaia 23 / Isa 23 |
Isaia 24 / Isa 24 |
Isaia 25 / Isa 25 |
Isaia 26 / Isa 26 |
Isaia 27 / Isa 27 |
Isaia 28 / Isa 28 |
Isaia 29 / Isa 29 |
Isaia 30 / Isa 30 |
Isaia 31 / Isa 31 |
Isaia 32 / Isa 32 |
Isaia 33 / Isa 33 |
Isaia 34 / Isa 34 |
Isaia 35 / Isa 35 |
Isaia 36 / Isa 36 |
Isaia 37 / Isa 37 |
Isaia 38 / Isa 38 |
Isaia 39 / Isa 39 |
Isaia 40 / Isa 40 |
Isaia 41 / Isa 41 |
Isaia 42 / Isa 42 |
Isaia 43 / Isa 43 |
Isaia 44 / Isa 44 |
Isaia 45 / Isa 45 |
Isaia 46 / Isa 46 |
Isaia 47 / Isa 47 |
Isaia 48 / Isa 48 |
Isaia 49 / Isa 49 |
Isaia 50 / Isa 50 |
Isaia 51 / Isa 51 |
Isaia 52 / Isa 52 |
Isaia 53 / Isa 53 |
Isaia 54 / Isa 54 |
Isaia 55 / Isa 55 |
Isaia 56 / Isa 56 |
Isaia 57 / Isa 57 |
Isaia 58 / Isa 58 |
Isaia 59 / Isa 59 |
Isaia 60 / Isa 60 |
Isaia 61 / Isa 61 |
Isaia 62 / Isa 62 |
Isaia 63 / Isa 63 |
Isaia 64 / Isa 64 |
Isaia 65 / Isa 65 |
Isaia 66 / Isa 66 |