1 |
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina] |
2 |
Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra. |
3 |
Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany. |
4 |
Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. |
5 |
Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy] |
6 |
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy. |
7 |
Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; |
8 |
Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina; |
9 |
Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra] |
10 |
Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako] |
11 |
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma] |
12 |
Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. [Na: avia indray] |
13 |
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita. |
14 |
Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra; |
15 |
Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. |
16 |
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny. |
17 |
Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Isaia 21:1 |
Isaia 21:2 |
Isaia 21:3 |
Isaia 21:4 |
Isaia 21:5 |
Isaia 21:6 |
Isaia 21:7 |
Isaia 21:8 |
Isaia 21:9 |
Isaia 21:10 |
Isaia 21:11 |
Isaia 21:12 |
Isaia 21:13 |
Isaia 21:14 |
Isaia 21:15 |
Isaia 21:16 |
Isaia 21:17 |
|
|
|
|
|
|
Isaia 1 / Isa 1 |
Isaia 2 / Isa 2 |
Isaia 3 / Isa 3 |
Isaia 4 / Isa 4 |
Isaia 5 / Isa 5 |
Isaia 6 / Isa 6 |
Isaia 7 / Isa 7 |
Isaia 8 / Isa 8 |
Isaia 9 / Isa 9 |
Isaia 10 / Isa 10 |
Isaia 11 / Isa 11 |
Isaia 12 / Isa 12 |
Isaia 13 / Isa 13 |
Isaia 14 / Isa 14 |
Isaia 15 / Isa 15 |
Isaia 16 / Isa 16 |
Isaia 17 / Isa 17 |
Isaia 18 / Isa 18 |
Isaia 19 / Isa 19 |
Isaia 20 / Isa 20 |
Isaia 21 / Isa 21 |
Isaia 22 / Isa 22 |
Isaia 23 / Isa 23 |
Isaia 24 / Isa 24 |
Isaia 25 / Isa 25 |
Isaia 26 / Isa 26 |
Isaia 27 / Isa 27 |
Isaia 28 / Isa 28 |
Isaia 29 / Isa 29 |
Isaia 30 / Isa 30 |
Isaia 31 / Isa 31 |
Isaia 32 / Isa 32 |
Isaia 33 / Isa 33 |
Isaia 34 / Isa 34 |
Isaia 35 / Isa 35 |
Isaia 36 / Isa 36 |
Isaia 37 / Isa 37 |
Isaia 38 / Isa 38 |
Isaia 39 / Isa 39 |
Isaia 40 / Isa 40 |
Isaia 41 / Isa 41 |
Isaia 42 / Isa 42 |
Isaia 43 / Isa 43 |
Isaia 44 / Isa 44 |
Isaia 45 / Isa 45 |
Isaia 46 / Isa 46 |
Isaia 47 / Isa 47 |
Isaia 48 / Isa 48 |
Isaia 49 / Isa 49 |
Isaia 50 / Isa 50 |
Isaia 51 / Isa 51 |
Isaia 52 / Isa 52 |
Isaia 53 / Isa 53 |
Isaia 54 / Isa 54 |
Isaia 55 / Isa 55 |
Isaia 56 / Isa 56 |
Isaia 57 / Isa 57 |
Isaia 58 / Isa 58 |
Isaia 59 / Isa 59 |
Isaia 60 / Isa 60 |
Isaia 61 / Isa 61 |
Isaia 62 / Isa 62 |
Isaia 63 / Isa 63 |
Isaia 64 / Isa 64 |
Isaia 65 / Isa 65 |
Isaia 66 / Isa 66 |