1 |
[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy; |
2 |
Miakatra ho ao amin'ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita] |
3 |
Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony. |
4 |
Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany] |
5 |
Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona] |
6 |
Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony. |
7 |
Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo. |
8 |
Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany. |
9 |
Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Isaia 15:1 |
Isaia 15:2 |
Isaia 15:3 |
Isaia 15:4 |
Isaia 15:5 |
Isaia 15:6 |
Isaia 15:7 |
Isaia 15:8 |
Isaia 15:9 |
|
|
|
|
|
|
Isaia 1 / Isa 1 |
Isaia 2 / Isa 2 |
Isaia 3 / Isa 3 |
Isaia 4 / Isa 4 |
Isaia 5 / Isa 5 |
Isaia 6 / Isa 6 |
Isaia 7 / Isa 7 |
Isaia 8 / Isa 8 |
Isaia 9 / Isa 9 |
Isaia 10 / Isa 10 |
Isaia 11 / Isa 11 |
Isaia 12 / Isa 12 |
Isaia 13 / Isa 13 |
Isaia 14 / Isa 14 |
Isaia 15 / Isa 15 |
Isaia 16 / Isa 16 |
Isaia 17 / Isa 17 |
Isaia 18 / Isa 18 |
Isaia 19 / Isa 19 |
Isaia 20 / Isa 20 |
Isaia 21 / Isa 21 |
Isaia 22 / Isa 22 |
Isaia 23 / Isa 23 |
Isaia 24 / Isa 24 |
Isaia 25 / Isa 25 |
Isaia 26 / Isa 26 |
Isaia 27 / Isa 27 |
Isaia 28 / Isa 28 |
Isaia 29 / Isa 29 |
Isaia 30 / Isa 30 |
Isaia 31 / Isa 31 |
Isaia 32 / Isa 32 |
Isaia 33 / Isa 33 |
Isaia 34 / Isa 34 |
Isaia 35 / Isa 35 |
Isaia 36 / Isa 36 |
Isaia 37 / Isa 37 |
Isaia 38 / Isa 38 |
Isaia 39 / Isa 39 |
Isaia 40 / Isa 40 |
Isaia 41 / Isa 41 |
Isaia 42 / Isa 42 |
Isaia 43 / Isa 43 |
Isaia 44 / Isa 44 |
Isaia 45 / Isa 45 |
Isaia 46 / Isa 46 |
Isaia 47 / Isa 47 |
Isaia 48 / Isa 48 |
Isaia 49 / Isa 49 |
Isaia 50 / Isa 50 |
Isaia 51 / Isa 51 |
Isaia 52 / Isa 52 |
Isaia 53 / Isa 53 |
Isaia 54 / Isa 54 |
Isaia 55 / Isa 55 |
Isaia 56 / Isa 56 |
Isaia 57 / Isa 57 |
Isaia 58 / Isa 58 |
Isaia 59 / Isa 59 |
Isaia 60 / Isa 60 |
Isaia 61 / Isa 61 |
Isaia 62 / Isa 62 |
Isaia 63 / Isa 63 |
Isaia 64 / Isa 64 |
Isaia 65 / Isa 65 |
Isaia 66 / Isa 66 |