1 |
Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda. |
2 |
[Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo. |
3 |
Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina. |
4 |
Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy. |
5 |
Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra. |
6 |
Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy. |
7 |
Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.[Heb. hafa firenena] |
8 |
Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha] |
9 |
Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora. |
10 |
Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora. |
11 |
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy. |
12 |
Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? |
13 |
Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! |
14 |
Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho. |
15 |
Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka] |
16 |
Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy; |
17 |
Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena. |
18 |
Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. |
19 |
Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany; |
20 |
Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny. |
21 |
Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao. |
22 |
Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano; |
23 |
Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany. |
24 |
Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko. |
25 |
Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo] |
26 |
Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky. |
27 |
Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina] |
28 |
Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah. |
29 |
Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy] |
30 |
Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo. |
31 |
Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Isaia 1:1 |
Isaia 1:2 |
Isaia 1:3 |
Isaia 1:4 |
Isaia 1:5 |
Isaia 1:6 |
Isaia 1:7 |
Isaia 1:8 |
Isaia 1:9 |
Isaia 1:10 |
Isaia 1:11 |
Isaia 1:12 |
Isaia 1:13 |
Isaia 1:14 |
Isaia 1:15 |
Isaia 1:16 |
Isaia 1:17 |
Isaia 1:18 |
Isaia 1:19 |
Isaia 1:20 |
Isaia 1:21 |
Isaia 1:22 |
Isaia 1:23 |
Isaia 1:24 |
Isaia 1:25 |
Isaia 1:26 |
Isaia 1:27 |
Isaia 1:28 |
Isaia 1:29 |
Isaia 1:30 |
Isaia 1:31 |
|
|
|
|
|
|
Isaia 1 / Isa 1 |
Isaia 2 / Isa 2 |
Isaia 3 / Isa 3 |
Isaia 4 / Isa 4 |
Isaia 5 / Isa 5 |
Isaia 6 / Isa 6 |
Isaia 7 / Isa 7 |
Isaia 8 / Isa 8 |
Isaia 9 / Isa 9 |
Isaia 10 / Isa 10 |
Isaia 11 / Isa 11 |
Isaia 12 / Isa 12 |
Isaia 13 / Isa 13 |
Isaia 14 / Isa 14 |
Isaia 15 / Isa 15 |
Isaia 16 / Isa 16 |
Isaia 17 / Isa 17 |
Isaia 18 / Isa 18 |
Isaia 19 / Isa 19 |
Isaia 20 / Isa 20 |
Isaia 21 / Isa 21 |
Isaia 22 / Isa 22 |
Isaia 23 / Isa 23 |
Isaia 24 / Isa 24 |
Isaia 25 / Isa 25 |
Isaia 26 / Isa 26 |
Isaia 27 / Isa 27 |
Isaia 28 / Isa 28 |
Isaia 29 / Isa 29 |
Isaia 30 / Isa 30 |
Isaia 31 / Isa 31 |
Isaia 32 / Isa 32 |
Isaia 33 / Isa 33 |
Isaia 34 / Isa 34 |
Isaia 35 / Isa 35 |
Isaia 36 / Isa 36 |
Isaia 37 / Isa 37 |
Isaia 38 / Isa 38 |
Isaia 39 / Isa 39 |
Isaia 40 / Isa 40 |
Isaia 41 / Isa 41 |
Isaia 42 / Isa 42 |
Isaia 43 / Isa 43 |
Isaia 44 / Isa 44 |
Isaia 45 / Isa 45 |
Isaia 46 / Isa 46 |
Isaia 47 / Isa 47 |
Isaia 48 / Isa 48 |
Isaia 49 / Isa 49 |
Isaia 50 / Isa 50 |
Isaia 51 / Isa 51 |
Isaia 52 / Isa 52 |
Isaia 53 / Isa 53 |
Isaia 54 / Isa 54 |
Isaia 55 / Isa 55 |
Isaia 56 / Isa 56 |
Isaia 57 / Isa 57 |
Isaia 58 / Isa 58 |
Isaia 59 / Isa 59 |
Isaia 60 / Isa 60 |
Isaia 61 / Isa 61 |
Isaia 62 / Isa 62 |
Isaia 63 / Isa 63 |
Isaia 64 / Isa 64 |
Isaia 65 / Isa 65 |
Isaia 66 / Isa 66 |