1 |
Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy. |
2 |
Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia. |
3 |
An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia. |
4 |
Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva. |
5 |
Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada. |
6 |
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, |
7 |
Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao.[Na : ny volonao milantolanto] |
8 |
Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. |
9 |
Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. |
10 |
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva? |
11 |
Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra.[Heb. an-tanin'egoza]Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra. |
12 |
Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Tonon Kiran'i Solomona 6:1 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:2 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:3 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:4 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:5 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:6 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:7 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:8 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:9 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:10 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:11 |
Tonon Kiran'i Solomona 6:12 |
|
|
|
|
|
|
Tonon Kiran'i Solomona 1 / ToSo 1 |
Tonon Kiran'i Solomona 2 / ToSo 2 |
Tonon Kiran'i Solomona 3 / ToSo 3 |
Tonon Kiran'i Solomona 4 / ToSo 4 |
Tonon Kiran'i Solomona 5 / ToSo 5 |
Tonon Kiran'i Solomona 6 / ToSo 6 |
Tonon Kiran'i Solomona 7 / ToSo 7 |
Tonon Kiran'i Solomona 8 / ToSo 8 |