1 |
Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala. |
2 |
[Teny nataon'ny ampakarina sy ny mpanjaka ary ny zanakavavin'i Jerosalema] Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.[Heb. ampakariko] |
3 |
Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy? |
4 |
Nampiditra ny tànany teo amin'ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko. |
5 |
Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon'ny miora teo amin'ny famohana ny hidin-trano. |
6 |
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany. |
7 |
Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako. |
8 |
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho. |
9 |
Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao? |
10 |
Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin'ny alinalina. |
11 |
Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika. |
12 |
Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan'ny sakeli-drano, mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy. |
13 |
Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon'ny miora.[Heb. tilikambo] |
14 |
Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira; |
15 |
Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, tsara toy ny sedera.[marmora fotsy]Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny] |
16 |
Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin'i Jerosalema! [Heb. lanilaniny]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Tonon Kiran'i Solomona 5:1 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:2 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:3 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:4 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:5 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:6 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:7 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:8 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:9 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:10 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:11 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:12 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:13 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:14 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:15 |
Tonon Kiran'i Solomona 5:16 |
|
|
|
|
|
|
Tonon Kiran'i Solomona 1 / ToSo 1 |
Tonon Kiran'i Solomona 2 / ToSo 2 |
Tonon Kiran'i Solomona 3 / ToSo 3 |
Tonon Kiran'i Solomona 4 / ToSo 4 |
Tonon Kiran'i Solomona 5 / ToSo 5 |
Tonon Kiran'i Solomona 6 / ToSo 6 |
Tonon Kiran'i Solomona 7 / ToSo 7 |
Tonon Kiran'i Solomona 8 / ToSo 8 |