1 |
Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto] |
2 |
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana. |
3 |
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,[Heb. fitenenanao][Na: volonao milantolanto] |
4 |
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery. |
5 |
Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia. |
6 |
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka] |
7 |
Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao. |
8 |
Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda. |
9 |
Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko] |
10 |
Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko] |
11 |
Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona. |
12 |
Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko] |
13 |
Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda, |
14 |
Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota] |
15 |
Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara. |
16 |
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Tonon Kiran'i Solomona 4:1 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:2 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:3 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:4 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:5 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:6 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:7 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:8 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:9 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:10 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:11 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:12 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:13 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:14 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:15 |
Tonon Kiran'i Solomona 4:16 |
|
|
|
|
|
|
Tonon Kiran'i Solomona 1 / ToSo 1 |
Tonon Kiran'i Solomona 2 / ToSo 2 |
Tonon Kiran'i Solomona 3 / ToSo 3 |
Tonon Kiran'i Solomona 4 / ToSo 4 |
Tonon Kiran'i Solomona 5 / ToSo 5 |
Tonon Kiran'i Solomona 6 / ToSo 6 |
Tonon Kiran'i Solomona 7 / ToSo 7 |
Tonon Kiran'i Solomona 8 / ToSo 8 |