1 |
[Ny filaharan'ny zavatra samy amin'ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran'Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton'ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra: |
2 |
Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena; |
3 |
Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana; |
4 |
Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana; |
5 |
Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona; |
6 |
Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana; |
7 |
Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana; |
8 |
Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana. |
9 |
Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany? |
10 |
Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany. |
11 |
Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.[na: izao tontolo izao] |
12 |
Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa] |
13 |
Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany. |
14 |
Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona. |
15 |
Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa. [Heb. voaroaka] |
16 |
Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao. |
17 |
Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. |
18 |
Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra] |
19 |
Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak'olombelona dia manjo ny biby koa] |
20 |
Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra.[Na: hody] |
21 |
Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? [Na: Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin'ny biby izay midina amin'ny tany?]Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany? |
22 |
Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |