1 |
Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra. |
2 |
Ny fon'ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon'ny adala kosa dia eo ankaviany. |
3 |
Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin'ny olona rehetra izy fa adala. |
4 |
Raha tezeran'ny mpanapaka ianao, aza miala amin'ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe. |
5 |
Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon'ny mpanapaka izany; |
6 |
Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin'ny toerana ambany. |
7 |
Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo. |
8 |
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin'ny menarana. |
9 |
Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany. |
10 |
Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany. |
11 |
Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody? |
12 |
Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. |
13 |
Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza. |
14 |
Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? |
15 |
Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory. |
16 |
Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina! |
17 |
Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy! |
18 |
Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan'ny tanana no mampitete ny trano. |
19 |
Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny. |
20 |
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin'ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin'ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Mpitoriteny 10:1 |
Mpitoriteny 10:2 |
Mpitoriteny 10:3 |
Mpitoriteny 10:4 |
Mpitoriteny 10:5 |
Mpitoriteny 10:6 |
Mpitoriteny 10:7 |
Mpitoriteny 10:8 |
Mpitoriteny 10:9 |
Mpitoriteny 10:10 |
Mpitoriteny 10:11 |
Mpitoriteny 10:12 |
Mpitoriteny 10:13 |
Mpitoriteny 10:14 |
Mpitoriteny 10:15 |
Mpitoriteny 10:16 |
Mpitoriteny 10:17 |
Mpitoriteny 10:18 |
Mpitoriteny 10:19 |
Mpitoriteny 10:20 |
|
|
|
|
|
|
Mpitoriteny 1 / Mpi 1 |
Mpitoriteny 2 / Mpi 2 |
Mpitoriteny 3 / Mpi 3 |
Mpitoriteny 4 / Mpi 4 |
Mpitoriteny 5 / Mpi 5 |
Mpitoriteny 6 / Mpi 6 |
Mpitoriteny 7 / Mpi 7 |
Mpitoriteny 8 / Mpi 8 |
Mpitoriteny 9 / Mpi 9 |
Mpitoriteny 10 / Mpi 10 |
Mpitoriteny 11 / Mpi 11 |
Mpitoriteny 12 / Mpi 12 |