1 |
[Ny amin'ny tokony ho toetry ny mpanjaka] Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.[Na: Ny teny ho an'][Na: Lemoela, mpanjakan'i Masa, dia ilay] |
2 |
Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? |
3 |
Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka.[Heb. lalanao][Na: izay zavatra] |
4 |
Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; |
5 |
Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. |
6 |
Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy; |
7 |
Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony. |
8 |
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny; |
9 |
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. |
10 |
[Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: mahay][Na: perla] |
11 |
Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. |
12 |
Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany. |
13 |
Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany. |
14 |
Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny. |
15 |
Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny. |
16 |
Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka. |
17 |
Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. |
18 |
Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. |
19 |
Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. |
20 |
Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. |
21 |
Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa. |
22 |
Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. |
23 |
Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona. |
24 |
Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.[Heb. Kananita] |
25 |
Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. |
26 |
Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany. |
27 |
Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana. |
28 |
Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: |
29 |
Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.[Na: nahavory harena] |
30 |
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady. |
31 |
Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |